Auteur/autrice : Adnews

Fiatrehana ny fifidianana: nahazo fitaovana ahafahana mifidy ireo jamba

Hetsika ho amin’ny fifidianana mampiaty. Nanolotra fitaovana ahafahan’ny olona jamba mifidy ny eo anivon’ny Ceni. Nandray fanapahan-kevitra araka ny nahim-pony ity rafitra misahana ny fikarakarana ny fifidianana ity ka nanolotra “Carton à braille” miisa 3 000, natonta ho amin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Atsofoka ao anatin’io fitaovana io ny bileta tokana […]

Miadana Fabien Privat : “Tsara ny mandray anjara hatrany amin’ny fifidianana”

Hanao ahoana ihany ny fifidianana? Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olompirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Amin’ny maha olompirenena, entanina hatrany izy ireo handray anjara amin’ny latsabato na hanao vato fotsy aza”. Fanehoan-kevitra… “Manana zo maromaro ny olompirenena: raha resy lahatra amina kandidà […]

TARATRY ny KANTO

Ady hiragasy eny Ampefiloha. Tsy mangina mihitsy ny Kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha, rehefa alahady. Fantatra fa hifanandrina ny 12 novambra ho avy izao ry Rafaralahy Raymond sy ry Ratovoelison Etienne avy eny Ambatonapoaka. Manomboka amin’ny 10 ora maraina dia efa raikitra ny fifandonana voalohany. Antsam-piderana eny Mahamasina. “Tsy maintsy misandratra […]

Raha te ho lasa lavitra : ahena ny mpikambana anaty tarika

Nandia fiovana lehibe ny tontolon’ny hira sy ny fivoarany. Teo anelanelan’ny taona 1958 ka hatramin’ny 1972, niroborobo fatratra ny tarika mpihira manana mpikambana maro. Ny ankamaroany, nihoatra ny folo mianadahy. Tsy nanana olana izy ireny raha te hanatanteraka seho any ivelan’ny Nosy. Tahaka izany koa ny fitetezam-paritra teto an-toerana. Io […]