Mampametra-panotaniana tanteraka ny foto-pisainana ataon’ny mpanao politika sasany. Ilay tsy lojika no zary lojikam-piainana eto Madagasikara. Ny marina havadika ho diso, ny mahitsy no lazaina fa mibiloka. Ny mpitarika aza toa mpitari-bato vilam-bava. Mivoy sy mitaky fampiharana lalàna, saingy mandika lalàna mibaribary. Tena manao fanahy iniana, sanatria manao fifampihantsiana. Mazava […]
Auteur/autrice : Adnews
Asa tanana : antoky ny fampiroboroboana ny toekarena
Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fanaovana asa tanana isan-karazany. Mamelona tokantrano maro samihafa izy ary manome lanja ny vokatra vita malagasy. Fihariana tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny Malagasy ny asa tanana. Miteraka asa sy mampidi-bola ary mamelona fianakaviana sy tokantrano samihafa izy ary fototra mampiroborobo ny toekaren’ny firenena. Manome lanja ny […]
Haintrano: lasa lavenona ny vola saika hanaovana mariazy
May kila forehitra ny trano iray nahitana rihana roa tetsy Mahamasina, tao amin’ny fokontany Tsimialonjafy, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao anatiny. May tao koa ny vola tahiry nokasain’ny fianakaviana iray hanaovana mariazy. Efitra iray tao anatin’ ny rihana voalohany, izay tsy nisy […]
TSELATRA
Mpitondra bisikileta iray naratra nodomin’ny kamiao lehibe an’ny mpitandro filaminana tetsy Anosizato, omaly. Tafasitrika tao ambanin’ny fiara mihitsy ilay bisikileta saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Naratra mafy ilay mpitondra ity farany ary nentina notsaboina. Foibe ana fahitalavitra iray ao Ambatondrazaka saika nodoran’ny tsy mataho-tody tao Ambohimiangaly, afakomaly alina […]
Nitsoaka zandary : maty voatifitra ilay mpangala-boamaso
Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny iray tamin’ireo roa lahy nangalatra voamaso tao Ejeda, distrikan’Ampanihy, afakomaly. Niaiky heloka nataony nandritra ny famotoran’ny zandary azy io olon-dratsy io fa izy no tompon’antoka tamin’ny fanesorana ny mason’ny renim-pianakaviana roa tao an-toerana. Ny namany iray izay voasambotra niaraka taminy. Voalaza […]




