Ho fampitoviana lenta sy ny traikefan’ny Malagasy mpanazatra eo amin’ny taranja ady totohondry, nisy ny fampiofanana natao ny 28 ary 29 marsa teo, teny amin’ny INSPNMAD Ambaranjana. Fiofanana nomen’ny manampahaizana iraisam-pirenena kameroney, i Cyprien Tamou. Nanana izao finiavana izao ity manampahaizana ity ho fampivoarana ny ady totohondry eto Madagasikara. Mila […]
Auteur/autrice : Adnews
Baolina kitra – Lalao fihantsiana : Nomontsanin’ny Barea 5 no ho 2 i Kirghizistan
Nahavita dingana lehibe ny Barean’i Madagasikara nandritra ny lalao fihantsiana, nikatrohana tamin’i Kirghizistan. Nomontsaniny tanteraka ity ekipa faha-103 eo amin’ny filaharan’ny Fifa ity. Azo lazaina ho mihatsara izany ny vokatra azon’ny Barea. Tontosa ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Calista Sport Center de Belek, tany Turquie, ny lalaon’ny Barean’i […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitohy ny fametrahana faritra voatokana ho an’ny mpitrandraka madinika, any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Kaominina miisa 4 (Belindo Mahasoa, Tanandava, Anivorano Mitsinjo, Beteza ary Tranomaro), samy distrika Bekily. Notsidihin’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Anosy sy Androy ny toeram-pitrandrahana vato indostrialy sy akoram-by any an-toerana. Tanjona ny hampidirana anaty […]
Sendikà Sempifafi : Hiara-kiasa ny mpiasa sy ny minisitera
Noraisin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, ny Sendikan’ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Sempfafi, ny 26 marsa teo. Naneho fisaorana sy firariantsoa ary fiarahabana ny minisitra izy ireo. Voaresaka fa hamafisina ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fifanajana sy ny firindrana eo amin’ny mpiasa sy […]
Tontolo iainana : Fanarenana ny endri-tany sy ny ala
Misy ny fitaovana niomerika manokana ampiasain’ny Rafitra fanaraha-maso sy fanangonana ny antontanisa, mahakasika ireo zava-bita sy ny vokatra, eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny ahafahana mikirakira ny angom-baovao entina hanarenana ny endri-tany sy ny ala eto amintsika. Kendrena hatrany amin’ny 4 tapitrisa ha ny […]




