Auteur/autrice : Adnews

FAMILIANA FIARAKODIA : « Mila hentitra ireo sekoly mampianatra », hoy ny ATT

Nanamafy fiaraha-miasa ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tantety (ATT) sy ny sendikà ivondronan’ireo sekoly fampianarana mamily fiarakodia eto Mada­gasikara. Nodinihin’ny roa tonta ny fanatsarana ny tontolon’ny asa fampianarana mamily fiarakodia. Mila hentitra ireo sekoly mamolavola mpamily mba tsy hitera-doza eo amin’ny fifamoivoizana sy ny asa­ny. Ankoatra ny fampianarana ny teknika, […]

Hopitalim-panjakana: hanatanteraka varavarana misokatra

Hanomboka rahampitso ary haharitra hateloana ny varavarana misokatra tanterahin’ireo hopitalim-panjakana rehetra tsy an-kanavahana manerana ny Nosy. Fisokafana amin’ny rehetra, ahafahana misitraka ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana izany. Ankoatra izany, ny fandidiana “hernie” ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona. Eo koa, ny fandidiana ireo manana fahasembanana amin’ny molotra na sima. […]

tanàna orange faha-29 : nahazo fotodrafitrasa sosialy maro Antsahafilo

4 000 ny mponina ao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Sady nahazo fotodrafitrasa sosialy vaovao no nisitraka ny fanabeazana nomerika ny kilonga hirondra fivoarana ho an’ny fokontany efatra ao aminy. 140 taona aty aoriana vao noravana tanteraka ary nosoloina vaovao ny EPP ao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Vokatry ny haratsin’ny fotodrafitrasa, […]

TARATRY ny KANTO

« Afondasin’Andohalo ». Hanafana ny sehatry ny « Afondasin’Andohalo » ny zoma 29 septambra 2023, i Princio. Hisongadina manokana mandritra io hetsika io, araka izany, ny hiran’ity mpahay kanto malaza ity. Hisy hatrany anefa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra sy ny hetsika nahafantarana ny “Afondasin’Andohalo” hatramin’izay. « Kitantara ». Hitondra ny sombiny amin’ny asa sorany […]

Madagasikara maitso : fampirantiana momba ny tontolo iainana

Tanterahina nanomboka ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 1 novambra, eny amin’ ny Galerie d’Art Ivokolo Ana­lakely, ny varotra fampiran­tiana « Madagasikara Maitso ». Jacques Naif sy William Ran­drianohanana no mpahay kanto mandranty sary eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. Ny Ofnac, miaraka amin’ ireo mpahay kanto ireo no mi­karakara ny hetsika. Maimaim­poana […]