Efa tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina. Azo antoka fa hiditra tanteraka anatin’ny fiainana politika sy ny ho fiatrehana ny fifidianana izy. Akory anefa ny hagagan’ny mpanara-baovao fa tsy nipoitra teny amin’ilay fampanantsoan’ny FFKM, omaly hariva izy. Solontena no nalefa izay nivoaka niditra […]
Auteur/autrice : Adnews
Raharaham-pifidianana: hiditra an-tsehatra ny Firenena mikambana
Higadona anio, eto Madagasikara, ny iraky ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny fanaovana tombana ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny hihaona amin’ireto iraka, araka ny toromariky ny any New York, ireto ny filoham-panjakana misolo toerana, amin’ny alalan’ny governemanta ifarimbonana. Eo koa ny mpikamban’ny HCC sy ny eo anivon’ny […]
TSELATRA
Hotohoton’ny afo ny trano miisa roa tao amin’ny fokontany Madiotsifafana, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Nivadika ho lavenona avokoa ny entana rehetra toy ny fanaka sy ny fahitalavitra. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny afo. Niezaka nifehy ny firehetana ny fokonolona saingy nanao sarotra izany. Jiolahy telo lahy nandroba […]
Ambohimangakely : mpampianatra tratra namaky trano
Hatolotra ny fampanoavana ireo mpampianatra roa lahy miampy lehilahy iray hafa voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana trano fitehirizana entam-barotra teny Ambodivoara, fokontany Andranovao Ambohimangakely. Nanaovana ombay mitady ny ankizy kambana roa lahy izay tsy hita ny 22 septambra 2023 lasa teo. Nentin’ireo mpampianatra ireo niara-nanao asa ratsy taminy anefa ireo […]
Noho ny herisetra : nampamonoany jiolahy ny vadiny
Raim-pianakaviana iray 45 taona manan-janaka roa no saika namoy ny ainy rehefa novelesin’ny jiolahy ny hazobe teo amin’ny lohany teny Andranomanalina, afakomaly hariva. Vaky mihitsy ny lohany, araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nisy teny an-toerana. Miasa mivarotra brokatera ny asan’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Avy niasa izy tamin’io fotoana io […]




