Voarafitra ny volavolan-dalàna hifehy ny angovo azo avaozina miompana amin’ny akora biolojika. Hodinihina eny anivon’ny antenimiera roa tonta izany mandritra ny fivoriana ara-potoana hatao tsy ho ela. Miompana amina teboka maromaro ny volavolan-dalàna mifehy ny angovo avy amin’ny akora biolojika (bioénergie) taorian’ny atrikasa sy fakan-kevitra natao tetsy amin’ny Le Pavé […]
Auteur/autrice : Adnews
Antoko Hiaraka Isika : “Aoka ho halavirina ny fifampihantsiana”
Manoloana ny raharaham-pirenena, mizara ny heviny ny antoko Hiaraka Isika, tarihin’ny filoha nasionaliny, Vital Albert Camille. “Miantoka ny fiainam-pirenena mandritra ny dimy taona hoavy sy izay manaraka ny fifidianana”, raha ny fanambarana nataon’ny antoko Hiaraka Isika (AHI), omaly. Efa nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ireo kandidà13 nahafeno fepetra […]
Hajo Andrianainarivelo : “Ilaina hajaina ny tany tan-dalàna”
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarinarivelo Hajo, fa tsy afaka hamela an’i Madagasiraka ohatra izao intsony isika satria tafiditra anaty fahasahiranana mafy ny firenena. “Anisan’ny antony miteraka izany ny fahitana fa tsy voahaja ny lalàna. Tsy misy intsony ny fatahorana an’Andriamananitra. Lasa mandainga sy mamorona ary mahavita ny mamitaka ny mpiray […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana”
Nitondra fanazavana manoloana ny raharaham-pirenena ny praiminisitra Ntsay Christian ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato. Anisan’izany ny hiatrehana ny fifidianana. “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana. Tsy ekena izany Tetezamita vaovao hitondra ao anatin’ny roa taona izany. Mazava ny lalana hizorantsika: fanajantsika ny lalàna velona eto Madagasikara. Mandala an’ izany […]
Boriborintany faha-IV : hisitraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana
Eo amin’ny fokontany Angarangarana Mandrangobato II, ao amin’ny boriborintany faha-IV indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana. Hanomboka rahampitso hatramin’ny zoma izany. Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita sy afaka sitrahin’ny mponina eny an-toerana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny fitiliana […]




