Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly « N1B, vehivavy » sy ny U20 lehilahy. Tafakatra ho N1A ny Fandrefiala, BTBBA ary ny USJFM. Ankoatra ny MB2All Analamanga izay efa manana ekipa N1A, tafakatra ao anatin’izany sokajy izany ihany koa ny Fandrefiala Analamanga, ny BTBBA Diana ary […]
Auteur/autrice : Adnews
Rugby: tsy nahazo ny tapakila Olympika ny Makis de Madagascar
Rava ny nofinofin’ny Makis de Madagascar, lehilahy, eo amin’ny fiatrehana ny “lalao Olympika (JO 2024)”, taranja rugby lalaovina olona 7, tanterahina any Paris France. Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ny lalan-dry zalahy. Nosakanan’i Zimbabwe ny lalan’ny Makis de Madagascar, ka tsy afaka ny hiatrika ny lalao Olympika, tanterahina any […]
Sombim-baovao
Norombahin’Andriantefihasina Mirija, Malagasy mpilalao tenisy, ny medaly alimo, ny zoma 15 septambra teo, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, U14, natao tany Maroc. Lavony tamin’ny seta 2 no ho 0 (4/0, 4/0) ilay tonizianina, Skander Nsairi. Nahazo fahombiazana indray ny Akomba taorian’ny lalaon’ny Nosy natao teto amintsika. Notanterahina omaly alahady […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2023»: tsy hita tao anaty lisitra ny Malagasy
Nifarana omaly alahady 17 septambra tany Benin, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy “senior” lehilahy. Tsy tao anaty lisitry ny firenena nandray anjara i Madagasikara. Voalaza fa noho ny fahataran’ny fisoratana anarana ny anton’izany. Efa tamin’ny volana avrily ny fandefasana ny anaran’ireo hiatrika izany. Noho ny […]
Tenisy ambony latabatra : Tompondakan’i Afrika eo amin’ny isan-tarika, lehilahy, i Madagasikara
Nampakatra avo ny lazan’i Madagasikara taty Afrika indray ny taranja tenisy ambony latabatra. Voahosotra ho tompondaka mantsy ny ekipa olon-droa miaraka, lehilahy, nahitana an’i Antoine sy i Fabio. Fifaninanana, natokana ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy. Nifarana omaly alahady tao amin’ny efitrano Omnisport de Rades, Tunisie, ny fiadiana ny […]




