Auteur/autrice : Adnews

Ankonabe Analavory: mandry andriran’antsy amin’ny fibodoana tany ny mponina

Velon-taraina ny mponina ao Ankonabe, Analavory fa bodoin’olon-tokana ny tany mirefy 1 700 ha izay misy fo­kontany 4 sy ankohonana an’aliny. Nidina nijery ny zava-misy ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Mada­gasikara (AMM), i Masy Gou­lamaly, ny faran’ny herinandro teo. Tsy rariny ny fibodoana satria efa tanindrazan’olona nifandimbiasana tamin’ny ray […]

Orinasa manana vehivavy mpiasa mihoatran’ny 25 : Tokony hanana toerana fampinonoana, araka ny lalàna

Miara-miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, mampiroborobo ny fahazoan’ny vehivavy mampinono ny zanany any am-piasana. Manohana ny asa ny mpiray ombon’antoka maro. Efa niakatra 54% ny tahan’ny fampinonoana ny zaza amin’ny nonon-dreny tsy misy fangarony mandritra ny enim-bolana voalohany, eto amintsika, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanora 100 no nisitraka ny tetikasa « titre vert » tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nandray sy niarahaba azy ireo tao amin’ny tranoben’ny tangorona ny goverinoran’ny faritra, omaly. Tanjona ny hampiroborobo ny fambolena sy ny famokarana ary ny fiharian’ny tanora, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsa­kafo. Mahavita manodina fary 30 t isan’andro […]

Orinasa Sema Eau vive: nahazo jiro ny tananan’ Andranovelona

Mandray anjara feno amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Sema Eau vive, eo ambany fiahian’ny Star. Notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa valo ny fokontany Andranovelona, toerana iorenan’ny ozinina mamokatra rano fisotro amin’ny tavoahangy, Eau vive. Mazava daholo izao ny miditra sy mivoaka ny tanàna. […]