Anisan’ny paikady hampitomboana ny ambaindain’ny orinasa Jirama ny fanitarana ny tambajotra. Kendrena ny hampidirana jiro any amin’ireo faritra na toerana tsy mbola misitraka herinaratra. Tafiditra ao anatin’ny velirano faharoan’ny Filoha Rajoelina, ny hoe «Herinaratra ho an’ny rehetra». Anisan’ny hanatanterahana izany ny tetikasa “Lead asa 400” sy ny PDDR-CERC. Mamatsy vola […]
Auteur/autrice : Adnews
Akademia Miaramila : nivoaka ny andiany “amiraly Didier Ratsiraka”
Tontosa tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, omaly, ny lanonana ara-miaramila « Fandresena ». Famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra ho manamboninahitra avy amin’ny andiany mivantana faha-44 misalotra ny anarana “amiraly Didier Ratsiraka”. Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sady filoha faratampon’ny Foloalindahy. Teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Miisa 58 mianadahy, ahitana vehivavy […]
Mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy : nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely
Nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireo delegasiona avy amin’ny firenena 7 mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, ao anatin’ny “Volet Jeunesse”, omaly. Nanangan-tsaina niaraka tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa izy ireo. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny lalaon ‘ny Nosy atao eto amin’ny firenena. Anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo koa […]
Taranaky ny Amiraly Ratsiraka: samy mandeha, samy mitady!
Nihaona tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny “Rassemblement des partisans Ratsirakisme (RPR)”, tany Antsirabe, Ratsiraka Sophie, ny faran’ny herinandro teo. Hizotra amin’ny lalana hafa izy ireo amin’ny fifidianana. Samy mandeha,samy mitady. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny hanosehany sy ny fangatahany ny filatsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry, ho kandidà filoham-pirenena. Mazava ny nambaran’ny filoham-boninahitra, Ratsiraka Sophie, […]
INDRAY MIJERY
Tonga nankahery sy nanara-maso ny fivoaran’ny fahasalaman’ireo naratra nandritra ny zava-nitranga teo Mahamasina, teny amin’ny HJRA ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Tontolo iainana ary ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanolotra sakafo mafana ho an’ireo marary, solon-dranom-boakazo sy bodofotsy izy ireo. Herinandro sisa dia hisantatra ny taom-pianarana vaovao […]




