Auteur/autrice : Adnews

Lalaon’ny Nosy : «  Efa ao anatin’ny fanomanana ny tenako », hoy i Mbola 

Hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao, ny lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11. “Efa ao anatin’ny fa­nomanana tanteraka ny tenako, ary hiezaka ny haka me­daly volamena ho an’ny Ma­lagasy rehetra aho”, hoy Rakotoniaina Aimé Mbola­lalaina Joël, Malagasy mpikatroka amin’ny taranja tolona. Marihina fa i Mbola, […]

« Coupe du Président » : norombahan’Antananarivo ny amboara

Tonga nanohana ny ekipa avy any amin’ny faritany misy azy avy ny mpijery baolina tetsy Mahamasina, omaly. Notoloran’ny filoha omby avy ireo faritany enina nandray anjara. Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, “Coupe du Président 2023”, taranja baolina kitra. Azon’ny ekipan’Antananarivo ny lelavola 20 […]

TARATRY ny KANTO

“Slam nationale 14”. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana nahafantarana ny misolo tena ny tanànan’Antalaha sy Toamasina. Kalary sy Kudiart no laharana voalohany sy faharoa, ho an’ny tao Toamasina. Christelle Mboty sy Ash kosa ny an’ny tao Antalaha. Izy ireo, araka izany, no hisolo tena ny tanànany avy, amin’ny […]

« Feo roa, gitara roa » : nitondra lavitra ireo mpankafy i Dama sy i Erick

« Rahakamoana ». Hira tsotra kanefa mavesatra ny tonony… hiran-dRaoul io, izay nataon’i Erick Manana irery. Io ny hira nanokatra ny fampisehoana indroa mihantaona tetsy amin’ny CCesca Antani­mena, ny zoma sy ny alahady teo. « Nisy tantara ny niantombohanay, ary anisan’ny nampiakatra an-tsehatra voalohany sy nandrisika an’i Erick Manana tanatin’ny mozika ny […]