Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny SAG, teny Anosibe, omaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny rehefa avy nanendaka. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra izy dia tratra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra avy nangalariny tamin’io fotoana […]
Auteur/autrice : Adnews
Ankazobe : mpaka an-keriny roa lavon’ny zandary
Nokarohina hatry ny ela. Rotiky ny bala ny dahalo roa lahy tao amin’ny distrikan’i Maevatanana, ny 19 aogositra teo. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny andian-dahalo sy ny zandary tao amin’ny fokontany Anosipotaka, kaominina ambanivohitra Tsiafabositra. Ikoizana amin’ny halatra omby, mpandray anjara tamin’ny tranga fakana an-keriny tao Maevatanana, Ankazobe hatrany Anjozorobe […]
Fiara mpitatitra roa tra-doza: niampatrampatra ny faty, olona 20 namoy ny ainy
Sesilany ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Olona 10 no fantatra fa indray namoy ny ainy raha sivy kosa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Marovoalavo Beforona, RN 2, Pk 155+900, omaly tamin’ny 4 ora folakandro. Taksiborosy hiakatra aty Antananarivo avy any Toamasina no […]




