Fanatajahantena

“Rugby WXV III” : miisa 40 ireo mandrafitra ny delegasion’ny Makis Ladies

Afaka 10 andro, izany hoe, ny 27 septambra ho avy izao, any Dubaï, hanomboka ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja rugby, sokajy vehivavy, “WXV III”. Anisan’ireo firenena hisolo tena an’i Afrika i Madagasikara. Vonona tanteraka ireo vehivavy malagasy Makis hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja rugby “WXV III”, izay […]

Taekwondo – Seksiona Ambohidratrimo : mpikatroka 66 nifanintsana tetsy Ivato

Notontosaina teny amin’ny Esca Para RFI Ivato ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, seksiona Ambohidratrimo, sokajy zandriny sy zokiny, Sénior, lahy sy vavy. Miisa 66 mianadahy ireo mpikatroka tonga namaly ny antso teny an-toerana. Avy amin’ny klioban’ny Esca Para sy ny ETAA izy ireo. Nisongadina tamin’izany ny mpikatroka avy amin’ny […]

Baolina kitra: mitady mpilalao hanatevina azy ireo ny Disciples FC

Taorian’ny fiatrehan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny “Ligue des Champions (LDC) Caf 2024”, ny volana aogositra lasa teo. Nilaza ny loharanom-baovao iray ao amin’izy ireo, omaly, fa mitady mpilalao hanatevina ny ekipany, amin’izao fotoana izao. Raha ny fantatra, efa misy mpilalao roa avy amin’ny klioba iray mifanintsana amin’ny “Pureplay Football League” […]

Volley-ball – “Open 2è division” : Tompondaka ny ASI sy ny Squad 1

Nivoaka ho mpandresy nandritra ny fifaninanana “Open division Analamanga”, taranja volley-ball, ny ekipan’ny ASI sy ny Squad 1. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankatso, ny fifaninanana “Open 2è division Anala­manga”, taranja volley-ball. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy ary ny Squad […]