Fanatajahantena

Muay Thai : Mpanazatra 12 nizarana traikefa teny Ankorondrano

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankorondrano, ny fiofanana teo amin’ny taranja Muay Thai, nomen’ny Maître Razanajatovo Gildas. Mpitarika sy mpanazatra 12 niatrika izany. Nanatanteraka fampiofanana teknisianina ny topmponandraikitra ao amin’ny federasionina miandraikitra ny Muay Thai. Hetsika nokarakaraina teny Ankoron­drano, nandritra ny faran’ny herinandro. Tompon’antoka tamin’izany ny Me Razanaja­tovo Gildas […]

Ady totohondry  : Nampitovy lenta ny mpanazatra

Ho fampitoviana lenta sy ny traikefan’ny Malagasy mpanazatra eo amin’ny taranja ady totohondry, nisy ny fampiofanana natao ny 28 ary 29 marsa teo, teny amin’ny INSPNMAD Ambaranjana. Fio­­fanana nomen’ny manampahaizana iraisam-pirenena kameroney, i Cyprien Tamou. Nanana izao finiavana izao ity manampahaizana ity ho fampivoarana ny ady totohondry eto Madagasikara. Mila […]

Baolina kitra – Lalao fihantsiana : Nomontsanin’ny Barea 5 no ho 2 i Kirghizistan

Nahavita dingana lehibe ny Barean’i Madagasikara nandritra ny lalao fihantsiana, nikatrohana tamin’i Kirghizistan. Nomontsaniny tanteraka ity ekipa faha-103 eo amin’ny filaharan’ny Fifa ity. Azo lazaina ho mihatsara izany ny vokatra azon’ny Barea. Tontosa ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Calista Sport Center de Belek, tany Turquie, ny lalaon’ny Barean’i […]

Lalao ara-pirahalahiana : Hitsapa ny heriny amin’i Kirghizistan i Madagasikara

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Callista Sport Center Belek, Antalya Torkia, ny fihaonana eo amin’ny Barean’i Madaga­sikara sy i Kirghizistan. Sam­bany ho an’ny Malagasy ny hifanandrina amin’ireo ekipa nasionaly avy ao Azia. Araka ny fikarohana natao, ekipam-pirenena faha-103 ao amin’ny filaharan’ny Fifa izany Kirghizistan izany, raha toa ka aorian’izy ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny afakomaly teo, tao amin’ny Kianja Gillette Stadium any Etazonia, ny fifanandrinan’ny Seleçao, Bresil sy ny Les Bleus, France. Lavon’ny ekipam-pirenena frantsay, tamin’ny isa mazava 2 no ho 1, ny brezilianina tamin’ity fihaonana ara-pirahalahiana ity. Nahatafiditra baolina iray, tamin’izany, i Kylian Mbappé, frantsay lohalaharana.