Fanatajahantena

“Lalao Afrikanina”: ratsy ny vokatra ho an’ny ping-pong

Nanokatra ny fifaninanana ho an’ny “Lalao Afrikanina”, tanterahina any Ghana, ny alatsinainy teo, ny taranja ping-pong. Ratsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, satria tojo faharesena avokoa ny teo amin’ny olon-tokana. Teo amin’ny lehilahy, lavo teo amin’ny ampaha-64-n-dalana avokoa i Mamy Riva, i Setra ary i Fabio. Niondrika teo anatrehan’ilay Nizerianina, […]

Moto – “Mada 2024” : lasan’i Lucas Robert ny fandresena

Tontosa ny alahady lasa teo, teny Ambohidava Antana­narivo, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja “Motocross 2024”, sokajy élite 1. Nanjakan’ilay Renioney, Lucas Robert, tanteraka ny fifaninanana. Nahazo ny laharana voalohany izy tamin’izany, rehefa nahavita fihodinana in-12 tao anatin’ny 20 minitra ka nahazoany isa 50. Mitana ny laharana […]

Tsipy kanetibe : misy fanantenana ny fampiatoana ny sazin’ny federasiona

Mahasarika an’i Claude Azema ny fitantanan’Andrianirina Julio Edouard, filoha vonjimaikan’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe. Manomboka mitsiry ny vahaolana ho an’ireo Malagasy mpankafy ity taranja ity. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malaga­sin’ny tsipy kanetibe (FSBM), Andrianirina Julio Edouard, ny sabotsy lasa teo, teny Tanjombato, fa efa azo antenaina ny tsy hahavoasazy an’i Madagasikara. Ny 24 febroary […]

Tsipy kanetibe : nisongadina ny ekipan’ny CBT Analamanga

Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Fitaratra Malaza An­doharanofotsy, ny lalao fanokafana ny taom-pilalaovana 2024, ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ny federasiona sport boule malagasy (FSBM). Ni­songadina ny ekipan’ny CBT Analamanga, teo amin’ny senior olona telo miaraka, lehilahy, nahitana an’i Doda sy i Hery ary i […]