Fanatajahantena

Échecs : tompondakan’i Afrika Andriatahina Serge

Notontosaina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ampitain-davitra na “en ligne”. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny Malagasy mpilalao échecs, Andriatahina Serge. Efa ela nilona teo amin’io taranja io i Serge, ka ankoatra ny maha filohan’ny ligin’Alaotra Mangoro azy dia nilalao an-taonany maro tao amin’ny Chess Club […]

Cosafa sokajy vehivavy : hifandona voalohany amin’ i Madagasikara i Maorisy

Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ity fifaninanana ara-panatanjahantena, vehivavy, ho an’ny firenena aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika ity, i Madagasikara. Ao amin’ny vondrona « B » no misy azy ireo. Hotanterahina manomboka anio, any Afrika Atsimo, ny fifanintsanana baolina kitra, sokajy vehivavy, Cosafa 2024. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny komity mpikarakara ny fifaninanana, rahampitso […]

Rugby – «Top 12 Mada»: Tsy nahatohitra ny Cosfa ny TFA Anatihazo

Nitohy teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­gasikara, taranja rugby “Top 12 Mada”. Voahaja hatreto ny lojika, mbola manjaka sy misongadina hatrany ireo ekipa lehibe, anisan’izany ny Cosfa (Bebaoty) izay nandavo ny TFA Anatihazo (Pilo kely), tamin’ny isa 53 no ho 22. Noporofoin’ny […]

Karate – « Mada 2024 » : Haseho any Toliara ny hasin’ ny taranja karate

Hotanterahina any Toliara, ny 30 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karaté, ho an’ny taona 2024. Tsy fifaninanana nasionaly ihany no hitranga amin’io fotoana io fa haseho izany “Art Martial Karaté-Do” izany, ham­pisongadinana ny hasin’ny taranja, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FKM (Fede­rasiona ny Karate-Do Mala­gasy), […]