Fanatajahantena

Basikety-Tanà Ville: Maro ny famaranana amin’ny faran’ny herinandro

Efa manomboka miroso any amin’ny dingana famaranana ny fifaninanana eo anivon’ny seksionin’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Raha ny fandaharam-potoana amin’ny faran’ity herinandro ity, hisy lalao famaranana maro hitranga. Eo amin’ny sokajy N1B, hifanandrina eo amin’ny sokajy lehilahy, ny ekipan’ny JCBA sy ny NBE. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, hifandona ny ekipan’ny […]

Taranja Handball  : Miisa 23 ireo mpanazatra haka ny « Licence D »

Notanterahina nanomboka omaly, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny Fanatan­jahantena Mahamasina, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra taranja Handball, amin’ny mari-pahaizana “Licence D”. Miisa 23 ireo teknisianina miatrika izany, ary misy teratany vahiny. Efatra avy atsy Co­mores, roa avy any Mayottes. I Hammouda Khaled, mpampiofana efa za-draharaha sady mpampianatra any amin’ny […]

Tsipy kanetibe: Nafindra any Thaïlande ny “Mondial 2026”

Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-telo miaraka, lehilahy, indray amin’ity i Thaïlande. Afaka ny sazin’izy ireo ka izao naverin’ny Federasionina iraisam-pirenena ao anatin’ny fianakaviamben’ny tsipy kanetibe maneran-tany izao. Notapahin’ny Federasio­nina iraisam-pirenena fa hafindra any Thaï­lande ny andiany faha-52 amin’ny fiadiana ny ho tompon­daka maneran-tany, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina, ny volana avrily ny fihaonana miverina eo amin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC Vakinankaratra, raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa ity fifanandrinana ity dia tafiditra anatin’ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra «Pureplay Football League (PFL)». Nambaran’ny filohan’ny Federasionina ma­lagasin’ny baolina kitra […]