Fanatajahantena

MPITSARA AO AMIN’NY FIFA: Niampy fito indray ny Malagasy

Nitombo isa ny matihanina! Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasionina iraisam-pirenena ny baolina kitra (Fifa), ny lisitr’ireo mpitsara maneran-tany mpikambana ao aminy. Manana solontena 21 mianadahy i Madagasikara amin’izany, ka ny fito amin’izy ireo, dia sambany no hiditra amin’izany sehatra tahaka izao. Araka ny fikarohana natao omaly, miisa enina ny […]

CAN 2025 – PANTHERES GABON : Natsahatry ny minisiteran’ ny fanatanjahantena

Mandalo krizy mavaivay ny baolina kitra Gaboney, taorian’ny faharesena intelo misesy ny Pantheres, ekipam-pirenena. Lasa raharaham-pirenena mihitsy izany ka nandray fanapahan-kevitra entitra ny fitondram-panjakana any an-toerana nandrava ny ekipa teknika ary nampitsahatra ny ekipam-pirenena. Nisarika ny sain’ny mpanara-baovao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra (Can 2025), tanterahina […]

Tsipy kanetibe Analamanga: amin’ny 24 janoary ny fivoriambe

Tsy miandry ela fa miditra amin’ny asa avy hatrany ny filohan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe vaovao, Andriantsiferana Ravaka. Hisantatra ny fandaharam-potoany ho an’ny taona 2026 ny fivoriambe. Araka ny tati-baovao avy aminy, hotanterahina ny sabotsy 24 janoary izany. Io ihany koa no fihaonana amin’ireo klioba rehetra mivondrona ao anatin’ny ligy […]

“Can 2025”: nihintsana ny ekipa nasionalin’i Comores

Izay aloha no vita! Nifa­rana afakomaly, ny dian’ny Coela­canthes Comores, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, tanterahina atsy Maroc ity. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny fihaonana teo aminy sy ny Aigle de Mali, nan­dritra ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, “A”. Raha nahita […]

Basikety-Analamanga: hamerina ny firaisankinan’ny ligy sy seksionina ny filoha vaovao

Ny famerenana ny firaisankinan’ny ligy sy ireo seksionina mandrafitra azy no vina lehibe voalohany hapetraky ny filohan’ny ligin’Analamanga vaovao, Maître Ratovonjanahary Haingo Mampionona, amin’izao fandraisany ny fitantanana izao. Mialoha izay anefa, asa miandry ny fanaovana ny sata sy ny fitsipika anatiny mifehy ny ligin’Ana­lamanga. Miankina amin’ny firaisankina no hanatrarana ny […]