Ratsy ny vokatra ho an’ny vehivavy malagasy Makis Ladies, nandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja rugby, « WXV III », izay atao any Dubaï. Nomontsanin’i Espagne 83 no ho 0 izy ireo, omaly. Niraraka toy ny rano ny baolina nentin-tanana vitan-dry zareo espaniola, omaly, tao amin’ny Kianja Sevens Stadium Dubaï, raha […]
Fanatajahantena
Volley-« Mada D1 » : hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso
Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana rahampitso, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, 1ère division, taranja volley-ball. Hatao anio kosa ny lalao ampahefa-dalana, ho an’ny sokajy lehilahy, raha ny fandaharam-potoana. Raha ny voka-dalao nandritra ny lalao ampahefa-dalana omaly, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny GNVB rehefa nandavo ny Bi’As tamin’ny seta 3 no ho […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 23 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano, Futsal. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy super Vétérans no handray anjara. Hifarana ny 15 oktobra ho avy io […]
Olympiades d’Echecs : nahazo ny « Candidat Maitre » i Ismael
Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara nandritra ny fifaninanana « Olympiades d’échecs », andiany faha-45, natao tany Budapest, ny 10 hatramin’ny 23 septambra teo, na dia tsy nahazo medaly aza. Atleta malagasy 3 mianadahy no nahazo anaram-boninahitra, taorian’ny fifaninanana. Anisan’izany i Miora Ismael, izay nahazo ny “Candidat Maitre” (CM). Tao amin’ny sokajy “Open” no […]
Rugby « WXV III »- sokajy vehivavy : hifanandrina amin’i Espagne ny Makis Ladies
Hanomboka anio ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, izay hatao any Dubaï. Ny ekipa nasionalin’i Espagne no hifandona amin’i Madagasikara. Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Sevens Stadium Dubaï, ny fihaonan’ny Makis Ladies de Madagasikara sy ny Las Leonas Espagne. Lalao izay tafiditra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena taranja […]