Fanatajahantena

Federasionina Kick boxing : Ny volana avrily ny fifidianana

Taranja anisan’ny hanatanteraka fifidianana amin’ity taona ity ny Federasionina malagasin’ny kick boxing. Namoaka ny tetiandrom-pifidianana ny teo anivon’ity taranja ity, hahafahan’ny rehetra miomana. Araka izany, ny 17 hatramin’ny 24 avrily izao ny fe-potoana hanatanterahana ny fifidianana izay hitantana ny FMKB, ho an’ny efa-taona manaraka (2026-2030). Mialoha izay, mila mahavita ny […]

Soccer Camp : Tonga hanofana i Farinha sy i Fernandes

Nigadona eto Madagasi­kara, ny alarobia lasa teo, ireo teknisianina portugais amin’ny baolina kitra, i Guilherme Farinha sy i Rui Fernandes. Anton-dian’izy ireo ny hampiofana mpanazatra sy ankizy, fiaraha-miasa amin’ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Niatrika avy hatrany ireo mpanazatra miisa 25 teny amin’ny Com­plexe sportif Ambatolampy Tsimahafotsy sy Betongolo izy […]

Federasionin’ny basikety : Feno ny fandaharam-potoana

Nivoaka ary feno tanteraka, taorian’ny fivoriambe ny alarobia teo, ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Hisan­ta­rana izany ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tapakila amin’ny “World Cup 5×5” Se­niors hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao. Efa anatin’ny fampivondronana tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao, eny amin’ny Lapan’ny […]