Fanatajahantena

Baolina Kitra : Mitaky ny volany ireo mpandraharaha

Telo volana aty aoriana vao milaza ireo mpandraha­raha, niara-niasa tamin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa tsy azo ny volany. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, teny Am­banidia, ny solontenan’izy ireo, omaly. “Tsy mila korontana akory izahay fa mitaky ny rariny sy ny fanajana ny fifanarahana”, hoy i Andry Andriamalala. Nohamafisin’i Hajatiana Randrianantenaina […]

SOMBIM-BAOVAO

Nivoaka afakomaly ny filaharana vonjimaika, fifaninanana nasionaly, taranja Rugby, «XXL Top 12». Mihazona ny laharana voalohany, taorian’ny andro fahadimy, ny Cosfa. Eo amin’ny faharoa kosa ny FTM Manjakaray ary any amin’ny laharana fahatelo ny CEA Andranomanalina. Hotontosaina, anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny FC Rouge sy ny […]

Basikety-« Coupe du Monde » : 12 mirahalahy handrafitra ny lisitra farany

Namoaka ny lisitra farany, mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety Seniors 5×5, hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao, ny federasionina. 12 mirahalahy no mandrafitra ny ekipa malagasy. Mpilalao avy eto an-toerana ny 7 ary mpilaravinahitra ny 5. I […]

Corenin Martins: Ho avy eto Madagasikara hanazatra ny Barea

Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa nahita marimaritra iraisana ihany i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Andrasana ny fanambarana ofisialy. Raha tsy misy indray ny fiovana, ho avy eto Madagasikara, ny fa­ran’ny herinandro izao, i Corentin Martins. Araka ny filazan’ilay loharanom-baovao […]

Lalao Olympika amin’ny ririnina : Faha-50 i Mialitina Clerc

Niditra an-tsehatra ny alahady lasa teo i Mialitina Clerc, teo amin’ny fifaninanana fikorisana amin’ny ranomandry, lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. Fifaninanana notanterahina tany Milan-Cortina, Italie. Nitana ny laharana faha-50 tamin’ireo mpandray anjara 76 niatrika ny Ski, ho an’ny Slalom géant ny tovovavy. 2 mn 31, 99 s ny fe-potoanany […]