Araka ny tapaky ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra, Caf, tany Nairobi Kenya, ny alatsinainy lasa teo, fantatra fa hatao ny volana febroary 2025 ny fifanintsanana “Chan 2024”. Ny 1 ka hatramin’ny 28 febroary no hanatanterahina izany, ary firenena telo no hampiantrano amin’ity andiany ity, dia i Kenya, Tanzanie ary i […]
Fanatajahantena
Rotax 125 cc : hatao ny alahady izao ny fifaninanana
Hotanterahina ny alahady 22 septambra ho avy izao, eny amin’ny Circuit international de karting Imerintsiatosika, ny fifaninanam-pirenena amin’ny hafainganam-pandeha “Rotax 125 cc”. Fihaonana karakarain’ny klioba Serana Racing Kart. Misokatra ho an’ireo mpanamory manana kara-pilalaovana ara-dalàna karting avy amin’ny federasiona sport-auto malagasy (FSAM). Hisy sokajy telo ny mpifaninana amin’ity dia ny […]
Rugby – « WXV III »: notoloran’ny vadin’ny filoha vatsin-dalana ny Makis Ladies
Nanainga tetsy Ivato, omaly, ho any Kenya sy Dubaï, ny delegasionin’ny Makis Ladies. Hiatrika lalao goavana any an-toerana izy ireo. Mialoha izany, noraisin’ny vadin’ny filoham-pirenena ry zareo, omaly, tetsy Ambohitsorohitra. Nanainga omaly, ho any Kenya sy Dubaï, ny Makis Ladies, mpilalao ny taranja rugby, vehivavy. Mialoha ny nandehanany, noraisin’i Mialy […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina tany Côte d’Ivoire, ny 12-13 septambra lasa teo, ny fivorian’ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly avy amin’ny federasiona 42 mandrafitra ny Kaonfederasiona afrikanina, Caf. Nanatrika izany, tany an-toerana, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hotontosaina manomboka ny 26 oktobra ho avy izao ny fiadiana ny […]
Tsipy kanetibe – «National de Chalon 2024» : resy teo amin’ny famaranana ny ekipa malagasy
Tontosa ny 14 sy 15 septambra lasa teo, tao amin’ny Stade Leo-Lagrange, ny andiany faha-45 amin’ny “National de Chalon”, taranja tsipy kanetibe. Resy teo amin’ny famaranana ny ekipa malagasy, nahitana an’i Jean Bruno Andry sy Andrianjaka Jean-Michel (Tsetse) ary Rakotoniaina Faratiana (Tiana Kely). Lavon’ny ekipa nisy an-dry Paul Martin sy […]