Manome lanja ny lafiny serasera ny ligin’Analamanga, taranja basikety, tarihan-dRatovojanahary Haingo Mampionona. Nisy, araka izany, ny dinika sy fiarahana nitady izay hahafahana mampandroso ny ligy, amin’ny alalan’ny haino vaky jery. Nifanankalo hevitra ny andaniny sy ankilany ary nisy ny hevitra maro nivoitra. Ny hampiakarana ny fahafantaran’ny olona ny hetsika karakarain’ny […]
Fanatajahantena
Rugby – XXL Top 12: Donan’ny samy kartie ny an’ny TFMA sy TFA
Hiverina hiakatra kianja indray ireo ekipa 12, hiady ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby XXL Top 12. Lalao telo no voalahatra ka adin’ny samy kartie ny roa raha kartie sy boaty ny iray. Hangotraka avokoa ny fifandonana ka anisan’ny hisongadina ny fihaonan’ny TFA Anatihazo sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Hitohy […]
Basikety-Ratianarivo Livio: “Mila tanjaka ara-batana raha te hahomby”
Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fampivondronana ny Malagasy mpilalao, Ankoay, taranja basikety, hanomanana ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, hatao any Dakar, amin’ny faran’ny volana febroary. Herinandro izay no vita, nanaovana ny fanamafisana ny tanjaka ara-batana. Nambaran-dRatianarivo Livio, Malagasy mpilalao, fa “io tanjaka ara-batana io no tena ilaina. […]
SOMBIM-BAOVAO
Fantatra omaly avokoa ireo klioba tsy hiatrika ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions LDC 2026 ». Anisan’ ireo ekipa tsy maintsy hiatrika izany kosa ny Real Madrid, espaniola, ny Paris Saint Germain FC, frantsay, izay tompondakan’ny LDC farany teo. Tsiahivina fa resin’ny Benifica tamin’ny isa […]
StarTimes : Fitantarana lalao amin’ny teny malagasy
Tolotra manakaiky vahoaka, natao ho an’ny Malagasy rehetra. Mitohy ny fitantarana amin’ny teny malagasy, ao amin’ny rohim-pandaharana fahitalavitra avoakan’ny StarTimes, ireo fifaninanana baolina kitra iraisam-pirenena, toy ny fifaninanana espaniola Laliga. Manatanteraka izany ny mpitantara matihanina, i Daniel Randriamaro sy i Edouard Ratovoson, fantatry ny maro hoe Rayest. Efa nanomboka tamin’ […]





