Nifarana ny 31 janoary teo, ny fifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) amin’ilay frantsay mpanazatra ny Barea, Corentin Martins. Fantatra, omaly, fa mbola hanohy i Corentin Martins ary andrasana ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, efa naverin’i Corentin Martins, aty Madagasikara, […]
Fanatajahantena
Handball malagasy: Hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa
Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Handball, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa, ny zoma teo, tetsy Ampefiloha, fa hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa ny Malagasy, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina, CCOI, izay hotanterahina any Toamasina, ny 8 hatramin’ny 15 febroary ho avy izao. Hatreto, mbola firenena roa ihany no fantatra […]
Pureplay Football League : Mbola manjaka ny Disciples FC
Fandresena hatrany! Nahita fahombiazana indray ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Elgeco Plus Analamanga, tao amin’ny Kianjan’ny Vélodrome Antsirabe. Fandresena fahefatra tamin’ny lalao efatra vita izany izao no azon’ny ekipan’i Vakinankaratra, manana isa 12 izy ireo. Iny kosa […]
Lomano: Hamoaka mpilomano sangany ny ligin’Analamanga
Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026, ny faran’ny herinandro teo, ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Mpilomano 154 no nifaninana teny amin’ny ANS Ampefiloha. Tanjon’ny ligin’Analamanga, taranja lomano, amin’ny fifaninanana karakarainy ny hamoaka mpilomano sangany afaka hisolo tena ny faritra, araka ny nambaran’ny filohany, Razafindramahatra Harijesy. Fifaninanana anisan’ny lehibe sy nahafahana namoaka ireo “Top […]
Lutte sy ny MJS : Vonona hiaro ny tombontsoan’ ireo atleta ny minisitra
Ny alakamisy lasa teo, tonga nitsidika ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tetsy Ambohijatovo, ny Federasionina malagasin’ny taranja tolona(FML), tarihan’ny filohany, Raveloson Mamitiana. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny filazan’ireo Malagasy atleta ny tena hetahetany sy ny fanamby apetrak’izy ireo amin’ity taranja ity. Nanamafy ny minisitra […]





