Fanatajahantena

Fanatanjahantena : nihaona ny minisitra sy ny federasiona

Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, tamin’ireo filohana federasiona, omaly. Nifankafantatra sy nifampihaino izy ireo nandritra izany. Nisy ihany koa ny fangatahana nataon’ireo federasiona mba hijerena akaiky sy hanohanana azy ireo, amin’ny fifaninanana rehetra karakaraina sy handraisan’izy ireo anjara, na ny eto an-toerana izany, […]

Beach Soccer sy Futsal : hodinihin’ny Federasiona ny hanaovana ny fifanintsanana

Tokony ho efa nandeha ny fifaninanam-pirenena taranja Beach Soccer sy Futsal. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitry ny baolina kitra. Noho izany, hisy ny fivoriana ataon’izy ireo. Somary nangina tanteraka ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra ambony torapasika, “Beach Soccer” sy ny baolina anaty efitrano, “Futsal”. Nilaza […]

Atletisma-« Mada 2024 » : voalohany ny ligin’Analamanga

Nanjakan’ny faritra Ana­lamanga tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja atletisma, sokajy zandriny, taom-pilalaovan 2024, izay nifarana afakomaly, teny amin’ny Kianjan’ Alarobia. Araka ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), medaly volamena 32 no azo­ny. Mitana ny laharana faharoa kosa ny atletan’Atsinana­na, izay nahazo volamena 19, raha toa […]

D2 Nasionaly : nisaraka ady sahala ny Jet Kintana sy ny FC A Ilakaka

Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Jet Kin­tana Itasy sy ny FCA Ilakaka, tany Ambositra. Lalao tena nandrasan’ny rehetra izy ity, klioba […]

Faha-50 taonan’ny AKKA : hotohizana amin’ny “Coupe 50ème” ny fankalazana

Mankalaza ny faha-50 taonany amin’ity taona 2024 ity, ny klioban’ny Akka, taranja karate-do. Hisy ny fifaninanana hoenti-manamarika izany dia ny “Coupe 50ème”, ny 14 sy 15 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’An­ko­ron­drano. Kata sy Kumite ho an’olon-tokana no hikatrohana. Hisy koa ny fifaninanana isam-bondrona, handraisan’ny “style” 4 anjara, araka ny […]