Fifaninanana roa lehibe no mbola miandry ny Judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, latsaky ny 70 kg, amin’izao famaranana ny taona 2025 izao. Handray anjara amin’ny « Grand Chelem » hatao any Abu Dhabi, i Laura, ny 27 hatramin’ny 29 novambra izao, izay fandraisana anjara voalohany ho azy. Aorian’izay, hihazo an’i Tokyo […]
Fanatajahantena
Filaharan’ny Fifa: Niakatra ho faha-106 ny Barean’i Madagasikara
“ Tsara fa tsy misy dikany!”. Io no teny azo ambara raha nahita ny filaharan’ny Barean’i Madagasikara, izay nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly. Niakatra ho eo amin’ny faha-106 i Madagasikara, saingy tsy hiatrika Can 2025 no tsy hanao Mondial 2026. Toerana roa no nosongonan’ny Malagasy mpilalao tamin’ity, raha toa […]
Muay Thai – “Battle for Africa” : Malagasy roa handray anjara any Maorisy
Hotontosaina anio, any Maorisy, ny fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay Thai. Manana solontena roa i Madagasikara. Mianadahy, ahitana an’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy no miaro ny voninahi-pirenena mandritra ity fifaninanana matihanina eo ambany fiahian’ny WMC […]
Baolina kitra any Allemagne : Miverina anatin’ny heriny i Bolo
Tsara fiditra! Rehefa tsy hita nandritra ny fotoana ela tao anatin’ny lalaon’ny Hertha Zehlendorf Berlin, klioba atsy Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Malagasy mpilalao baolina kitra milaravinahitra atsy Allemagne. Niverina tamin’ny heriny indray izy amin’izao fotoana izao, anatin’ity ekipa ity, rehefa nahazo lalao 20 minitra, nandritra ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Fotodrafitrasa iray anisan’ny nanaovan’ny fitondram-panjakana fanavaozana ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, etsy Iavoloha. Tsy mitohy intsony ny asa fanavaozana araka ny loharanom-baovao iray. Andrasana, araka izany, na hanohy ny fampivoarana ny kianja ny fanjakana na tsia. Niatrika ny lalao voalohany ho azy ireo, tao amin’ny klioban’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, ireo […]




