Fanatajahantena

« CAF Awards 2025 » : Anisan’ny hisafidianana ny Coach Rôrô

Tsy mitsahatra ny misongadina ny anaran-dRakotondrabe Romuald Felix (Coach Rôrô). Taorian’ny zava-bitany nandritra ny “Chan 2024”, nantsoina hanazatra ny ekipa Young Africans, Tanzanie, izy. Amin’izao indray, voafantina ho anisan’ireo hisafidianana izay ho mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika. Navoakan’ny Kaonfe­de­ra­sionina afrikanina bao­lina kitra (Caf) tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny […]

Prize money – Barea: «Efa milamina avokoa», hoy ny federasionina

Raha ny fanampim-baovao voaray farany avy amin’ny mpitantana eo anivon’ny Fe­derasionina malagasin’ny bao­lina kitra, tarihin’Andria­manampisoa Alfred dia efa milamina tanteraka ny fizarana ilay “prize money” ho an’ny delegasionina malagasy, nandray anjara tamin’ny fifaninanana Chan 2024. Samy nahazo ny anjarany na ny FMF, na ny mpilalao. Nitontaly 45 ny isan’ireo nisitraka […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, hihazo an’i Espagne, ny delegasionina malagasy hiatrika ny fifaninanana izay ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Junior. Fifanintsanana hanomboka ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, any an-toerana, izany. Araka ny fikarohana natao, handeha amin’ny Youtube avokoa ny lalao hatrehin’izy ireo. Tonga nanotrona ny […]

“Battle for Africa”: Hiatrika ny ady miverina i Jerry

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Maorisy, ny andiany voalohany tamin’ilay fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay thai. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara, tamin’ny alalan’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nandresy ilay Maorisiana […]

Rugby– “Africa Women’s Tournament” : Iray vondrona amin’i Tunisie sy i Egypte ny Makis Ladies

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny rugby lalaovin’olona 7 indray ny Makis ladies. Hiady ny tapakila hiatrehana ny World Challenger Series izy ireo. Ekipa magrebianina roa no miray vondrona amin’ny Malagasy dia i Tunisie sy ry zareo Egyptianina. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Nai­robia, Kenya, ny […]