Fanatajahantena

Taekwondo- Ambaratonga kukkiwon : mpikatroka 33 tonga nanao fanadinana

Notontosaina omaly, teny amin’ny CFFAMA Nanisana, ny fanadinana hiakarana am­baratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan). Miisa 33 mianadahy ireo mpikatroka tonga niadina teny an-toerana. Mari­hina fa ity no hetsika voalohany nokarakarain’ny tale teknika nasionaly (DTN) ny Fe­derasiona malagasin’ny Tae­kwondo (FMTKD), Fanome­zantsoa Dimbiheriniaina Pharl­in, (3ème dan kukkiwon sy 4ème dan federaly). […]

Africa Padel cup of Nation 2024: voahosotra ho tompondakan’i Afrika i Madagasikara

Nanakoako nanerana an’i Afrika indray, ny faran’ny herinandro teo, ny lazan’i Madagasikara. Norombahin’ny Malagasy ny amboara maha tompondakan’i Afrika azy eo amin’ny taranja Padel. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2024, amin’ny taranja Padel (Africa Padel cup of Nation) i Madagasikara. Fifanina­nana nokarakarain’ny Kaonfedera­siona afrikanina Padel (CAP), notanterahina tao amin’ny kianja Nouakchott […]

Sombim-baovao

Malagasy mpilalao tenisy efatra mirahavavy no hiaro ny voninahi-pirenena, mandritra ny fifaninanana Billie Jean King, izay hatao any Nairobi Kenya, manomboka anio. Anisan’izany, Ranaivo Mikaly, mpilaravinahitra avy any Etazonia, Rasendra Miotisoa sy Iariniaina Tsantaniony ary Rihanna Elisa. Hotontosaina manomboka ny alakamisy hatramin’ny 23 jona ho avy izao, eto Antananarivo, ny […]

Rallye FMMSAM: norombahin’i Mathieu ny voalohany

Tontosa omaly ny rallye FMMSAM, dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, fifaninanana manamory fiarakodia. Norombahin’i Mathieu sy i Andry Tahina, mpanamorin’ny klioba ASACM, nitondra ny fiara subaru, ny fandresena tamin’ity. Vitan’izy mirahalahy tao anatin’ny 1 ora 28 mn 25, 8 % ny fifaninanana. Saika nitarihan’izy mirahalahy ireo avokoa […]