Mandeha ny resaka fa hatao aty Antananarivo ny fihodinanana faharoa ho an’ireo ekipa nifanintsana tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray omaly, efa nanome toky ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa hanome ilay vola 43 tapitrisa Ariary ho an’ireo mpitsara. Tsy manaiky ny hitsara ireo mpitsara any Mahajanga raha tsy voarain’izy […]
Fanatajahantena
Federasionina Muay thai : Mampirisika ny klioba hikarakara fifaninanana
Tonga nanotrona ny “Muay Thai Tournament 3”, natao tany Toamasina, ny alahady lasa teo, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais. Nidera sy nankasitraka ity fifaninanana ity izy ary nilaza fa fampiroboroboana ny taranja no atao ka mendrika halain-tahaka. Nampirisika ihany koa ireo klioba hafa hikarakara fifaninanana toy […]
Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika : Hiatrika ny ampahefa-dalana «tir de précision» i Mamy
Mametraka ny anarany atsy Afrika ny ekipa malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Porofon’izany, tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision» i Mamy Ronaldinho. Omaly vao niditra an-tsehatra ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]
Rugby – “XXL Top 12”: Nosahiranin’ny STM ny FTM
Nitohy omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 12”. Nosahiranin’ny STM, ny FTM Manjakaray. Na resy tamin’ny isa 43 no ho 33 aza ny Savony, nampiseho endri-dalao nahafinaritra, izay nanahirana an-dry zareo FTM, izy ireo. Nisy fotoana nahafahan’izy ireo namadika ny isa […]
DAKA AN-JORONY : Aza manao toy ny raty ê !
Mampametra-panontaniana ny zava-misy eo amin’ity baolina kitra malagasy ity, ankehitriny. Voaozona ve sa misy fanahy ratsy? Milamindamina kely, avy eo hisehoan’olana indray. Tsy voasasa ao an-trano intsony ny lamba maloto fa miharihary imasom-bahoaka. Zava-doza mitranga indray mantsy ny tsy fanatanterahan’ireo mpitsara ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly […]





