Fanatajahantena

“Muay Thai Tournament 3 ” : Tratra ny tanjona, ady 30 no nitranga

Notontosaina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”. Ady 30 no nitranga. Tratra ny tanjona, araka ny nambaran’ny filohan’ny klioba mpikarakara, ny GISL (Grande île sports loisirs), Razanajatovo Carine. Ny fitiavana ny taranja Muay Thai, hoy izy, no tena nandrisika azy ireo hanatanteraka fifaninanana matihanina […]

Baolina kitra – D2 National : Tsy raikitra ny lalao, nitokona ny mpitsara

Omaly 21 novambra ny daty voatondron’ny Federa­sioni­na malagasin’ny baolina kitra (FMF) hanombohan’ny fi­hodinana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena «D2 Na­tional». Tsy raikitra ny lalao ho an’ireo miatrika izany any Ma­hajanga. Nitokona ireo mpi­tsara lalao ary nilanja sorabaventy tao amin’ny Kianja Rabe­mananjara, tokony ha­naovana ny fifaninanana. Ta­kin’izy ireo ny handoavana ny tambin-karamany tamin’ny […]

Rugby “XXL Top 12” : Hafana ny fifanandrinan’ny CEA sy ny TFMA

Adin’ny samy kartie indray ny hamarana ny lalao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso. Hifandona amin’izany ny CEA Andranomanalina sy ny TFMA Ankasina. Hotanterahina rahampi­tso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapena­ka, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­ka­ra, taranja Rugby, “XXL Top 12”. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny fi­hao­nana […]

Tsipy kanetibe tompondakan’i Afrika : Hanatevina ny ekipan’ny Pac i Mirija (Fakr)

Nanainga omaly ny eki­pan’ny Pac (Pétanque Ampi­ta­tafika club), hiatrika ny an­diany faha-10 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2025. Fifaninanana hotante­rahina ao Nouakchott, renivohitr’i Mau­­ritanie, manomboka raha­m­pitso sabotsy 22 hatramin’ny alakamisy 28 novambra ho avy izao. Raha tsiahivina, nandrombaka ny voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena ity klio­ban’Ampitatafika ity, izay misy an’i Mamy […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo laharana iray indray ny Barean’i Madagasikara tamin’ny filaharan’ny Fifa, izay nivoaka afakomaly. Mipetraka eo amin’ny laharana faha-105 ny ekipa nasionaly malagasy, ary aorian’izy ireo i Armenia, ilay firenena resin’i Portugal, 9 no ho 1, nandritra ny ady tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Nitohy omaly ary hifarana […]