Notanterahina, omaly, tao amin’ny kianja Santiago Bernabeu Espagne, ny lanonana fandraisan’ny Real Madrid an’i Kylian Mbappé, Frantsay mpilalao baolina kitra. Nahatratra 80 000 ny olona tonga nanatrika izany tao an-kianja. Niavaka tanteraka ny fandraisan’ity klioba espaniola ity an’i Mbappé. Anisan’izany ny fampisehoana horonantsary fohy izay mirakitra ny tantaran’ity kalaza frantsay […]
Fanatajahantena
Handball – CCCOI 2024 : tompondaka ny THBC sokajy sénior, vehivavy
Voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara taranja handball sokajy “sénior” vehivavy ny THBC Analamanga. Ny CH Combani avy atsy Mayotte no nandrombaka ny amboara, teo amin’ny sokajy lehilahy. Tontosa omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ ny ranomasimbe Indianina, […]
Handball – CCCOI 2024 : hofaranan’ny Malagasy sy i Mayotte
Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity talata ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Adin’ny ekipa malagasy sy i Mayotte izany na eo amin’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy. Ho an’ny andriambavilanitra, hifandona […]
«Copa America 2024» : mbola voatazon’ i Argentine ny amboara
Tsy mbola votsotra eo am-pelatanan’i Argentine ny amboaran’ny “Copa America”, efa azony ny taona 2021. Omaly alatsinainy, nandritra ny famaranana, natao tao amin’ny kianja Miami, resin’i Argentine tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Colombie. Nivoaka sempotra anefa ny Argentine vao nivoaka ho mpandresy, satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana, […]
Baolina kitra – Amboaran’ny Caf: any Maurice no handray lalao ny Elgeco Plus
Any ivelan’i Madagasikara no handray ny lalao mandroso, ny ekipan’ny Elgeco plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCAF). Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Madagasikara. Araka izany, nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Maurice no handray […]