Iray volana mialoha ny fifaninanana, nanamafy ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa efa mandroso ny fikarakarana ny fandraisan’i Madagasikara ity fifaninanana ity. Fanambarana nataony teny amin’ny biraon’ny FMBB 67 Ha, omaly. Hotanterahina eto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana […]
Fanatajahantena
Rugby – Randriamalala Jean Yves : « Fanamby hapetrakay ny hitondra medaly mody »
Hotanterahina any Dubai, ny 17-18 sy ny 24-25 janoary 2026, ny dingana roa voalohany amin’ny fifanintsanana “World Rugby Challenger Series”, ho an’olona 7, sokajy lehilahy. Ity fifaninanana ity izay dingana iray mankany amin’ny sehatra avo indrindra maneran-tany. Nambaran-dRandriamalala Jean Yves (Sprinter), fa hiezaka mafy izy ireo ny hampiakatra avo ny […]
Baolina kitra U15 : Ekipa 32 nifantenana Barea
Notanterahina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny alahady teo, ny fifaninanana baolina kitra sokajy zandriny, U15. Fihaonana nokarakarain’ny Association des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Tanjona ny hifantenana mpilalao handrafitra ny Barea U15, hiatrika «Tournoi» tanterahina atsy Maurice, ny volana desambra ho avy izao. Nahatratra 32 ireo ekipa nifaninana tamin’ity ka […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ireo lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Senior, lehilahy. Hifandona ny HC Est Atsimo Andrefana sy ny Vasia Ihorombe, ny HBC Cut sy ny Masôva ary ny ASRB sy ASSM. Eo koa ny Littoral SC sy ny HTHB. […]
“Ankizy milalao”: Hisy sokajy vehivavy
Hotontosaina ny 8-9 novambra 2025, etsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Hetsika natao hanomezana sehatra ho an’ny ankizy mpankafy ny baolina kitra ary hahafahan’izy ireo mampiseho ny talentany. Hifanintsanana amin’izany ireo sokajy: U7, U9, U11, U13. Hampiavaka azy ny fisian’ ny sokajy vehivavy. […]





