Fanatajahantena

Basikety N1A : Ekipa misongadina ny ASSM Analamanga

Hiditra amin’ny dingana fa­rany, manomboka anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety, tontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ma­nom­boka hita taratra ireo ekipa henjana amin’ity fifaninanana ity. Anisan’ny misongadina ny ASSM Anala­man­ga, eo amin’ny sokajy vehivavy. Lalao dimy no natrehin’izy ireo hatreto ary fandresena 4 […]

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpilalao nantsoin’ny Elgeco Plus handrafitra ny ekipany amin’ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka, ilay kameroney i Pafong. Ankoatra azy, hisy mpilalao hafa avy eto an-toerana telo hafa, ka anisan’izany i Gregas. Tsiahivina fa hidona amin’ny Silver Strikers Malawi izy ireo amin’izany. Hiditra amin’ny andiany fahatelo indray […]

Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ho an’ny baolina kitra ny fananana kianja”

Miezaka manatsara sy mampivoatra ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fanjakana. Manaporofo izany ny firosoana amin’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny « tribunes » etsy amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy. Ho fanatsarana ny tonto­lon’ny baolina kitra eto Ma­dagasikara, noha­tsa­raina ny kianjan’ny CFFA etsy Andoharanofotsy. Nape­traky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny Iavolo­ha, omaly, ny vato fototra […]

Baolina kitra – Amboaran’ny CAF: Mpilalao 25 hoentin’ny AS Fanalamanga

Hanainga amin’ny herinandro ho avy io ny AS Fanala­man­ga, hiatrika ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny Caf, taranja baolina kitra. Fihaonana hikatrohany amin’ny Ferroviaro Mozambique. Nambaran-dRabeva­hiny Arlem, tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga tamin’ny mpanao gazety, tetsy Antaninarenina, omaly, fa mpilalao 25 no hoentin’ny ekipany miatrika izany. Any Mozambika avokoa no […]