Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Mahamasina, ny mpikambana mandrafitra ny Federasiona malagasin’ny Taekwondo (FMTKD). Notendren’ny filohan’ny FMTKD, Rakotomanana Franck, ho tale teknika nasionalin’ny federasiona i Pharlin Dimbiniaina. Araka ny vaovao nivoaka ny sabotsy lasa teo, tany Maorisy, tsy voatazona ho mpanazatra ny ekipa nasionaly Maorisianina […]
Fanatajahantena
Dortmund sy PSG: hiady ny tapakilan’ ny famaranana
Tonga ity ny fotoana ho an’ny Paris Saint Germain (PSG), klioba frantsay. Tsy maintsy hanala vela amin’ny ekipan’ny Dortmund Allemagne izy ireo, anio, ao amin’ny Parc de Princes France, mandritra ny lalao manasa-dalana miverina, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions”. Tsiahivina fa nandritra ny fihaonana mandroso, lavon’ny Dortmund […]
Echec – “Bundesliga 2024-2025”: hiady ny tompondakan’i Allemagne i Fy Antenaina
Mitety ireo firenena misy fifaninanana goavana amin’ny lalaon-tsaina Echec, Rakotomaharo Fy Antenaina, amin’izao fotoana. Ankehitriny, tafiditra hiady ny ho tompondakan’i Allemagne “ Bundesliga”, amin’ny isan-tarika izy sy ny ekipany. Tsy mitsahatra ny mitondra avo ny voninahi- pirenena eo amin’ny taranja lalaon-tsaina Echec, Rakotomaharo Fy Antenaina. Fantatra ary izao fa anisan’ […]
Kitra – Atsimondrano Champions League: hatao ny 12 mey ny «Poule des As»
Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana amin’ny «Poule des As», ny fiadiana ny Atsimondrano Champions League (ACL), taranja baolina kitra. Fihaonana karakarain’ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny sy ny Atsimondrano action sport. Nambaran’ ny mpikarakara tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, fa hotanterahina ny alahady 12 […]
Inter–Médias 2024: lasan’ny ORTM sy ny RVS ny amboara
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja «Annexe» Mahamasina, ny fifaninanana ara-panatanjahantena nifanandrinan’ireo orinasan-tserasera sy ny mpanao gazety na ny «Inter-Médias 2024». Nandrombaka ny amboara teo amin’ny basikety ny ORTM, raha ny RVS kosa ho an’ny baolina kitra lalaovina olona 7. Ho an’ny basikety, resin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-panjakana […]