Hisy ny fampiofanana natokana ho an’ny Malagasy misehatra amin’ny taranja volley-ball, ny 18 hatramin’ny 21 novambra izao. Fampiofanana ho mpanazatra izay eo ambany fiahian’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny volley-ball sy ny Federasionina malagasy ary ny ligy Matsiatra Ambony no hotanterahina any Fianarantsoa. Tanjona ny hampandroso io taranja io ao amin’ny faritra Matsiatra […]
Fanatajahantena
Rugby sokajy vehivavy – CAN 2025: Mila 7500 euros ho fandraisana anjara
Hiditra an-tsehatra, hiady ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 (Can 2025) indray ny Makis Ladies. Misedra olana anefa izy ireo satria tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, mitentina 7500 euros. Ankoatra izay, nidera ny fandrosoan’ny rugby sokajy vehivavy eto amintsika ny World Rugby. Hotanterahina any Kenya, […]
“Karate-Mada” olon-tokana: Hatao any Antsirabe, ny 1 sy 2 novambra
Hotontosaina ny 1 sy 2 novambra izao, any Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate, ho an’olon-tokana, sokajy Cadet, Junior ary Senior, eo amin’ny Kata sy Kumite. Ligy 20 no handray anjara, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina ny Karate-do malagasy. Ahitana ny ligin’i Diana, Boeny, Betsiboka, Analanjirofo, […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao angady tanimanga
Toetra iray mampiavaka ny tomponandraikitra eto Madagasikara, tsy amin’ny raharaham-panjakana ihany, fa hatramin’ny fitantanana ny fanatanjahantena ny tsy fahafahana manapa-kevitra. Tsy maintsy miandry lehibe vao afaka manao zavatra, na hatramin’ny bitika indrindra aza. Aza manao angady tanimanga ê, ka tsy mahatapaka ahitra ary ny famaky banga no tsy mahalavo hazo. […]
Tsipy kanetibe– Mondiaux 2025: Nody maina ny ekipam-pirenena malagasy
Tsy toy ny tamin’ny sokajy lehilahy fa niveri-maina ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, vehivavy. Nihintsana tany amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny olon-telo miaraka, raha teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny fifaninanana mitifitra «tir de précision». Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, […]





