Anisan’ny mpikatroka hifanandrina mandritra ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hotanterahina ny 23 novambra izao, any Toamasina, i Tiavina avy amin’ny Gasy Pro sy i Tsididy, avy amin’ny Le Roi Tiger’s. Hiady ny amboara eo amin’ny sokajy latsaky ny 54 kg Junior izy roa lahy ireo, amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina […]
Fanatajahantena
MIT : Nofoanana ny fifaninanana
Nambaran’ny talen’ny Marathon international de Tana (MIT), tamin’ny alalan’ny taratasy fampahafantarana ny herinandro lasa teo fa foana ny andiany faha-20 amin’ity fifaninanana hazakazaka lavitra ezaka ity. Fihaonana tokony hotanterahina ny sabotsy 18 sy ny alahady 19 oktobra ho avy izao. Nomarihin’ny filazana fa tsy hoe tsy hisy intsony akory ity […]
Beach Volley Zone 7 « Round 2 »: Ekipa malagasy roa handray anjara
Hotanterahina any Kaomoro, ny 29 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2025 izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, eo amin’ny taranja beach-volley, fihodinana faharoa. Ekipa malagasy roa no hifaninana amin’izany. Tsy diso anjara amin’ity “beach-volley zone 7, Round 2” ity i Madagasikara, fifaninanana hatao ao amin’ny torapasik’i Itsandra, Kaomoro. Ekipa […]
Fifanintsanana Mondial 2026: Andrasana anio ny fanapahan-kevitry ny Caf
Manify tanteraka ny fanantenana, raha tsy misy ny fiovana farany. Andrasana anio ny vaovao ofisialy avoakan’ny Caf mahakasika ilay tranga milaza fa mety hihena ny isan’ ny Barean’i Madagasikara sy ireo firenena hafa, manana vondrona enina, amin’ity fifanintsanana Mondial 2026 ity. Tsy ambony intsony moa ny herijika ho an’ny ekipa […]
SOMBIM-BAOVAO
Ilay mpilalao basikety fahiny tao amin’ny ekipa frantsay, i Isabelle Yacoubou, no ambasadaoron’ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, tontosaina any Le Caire, Egypte. Fiofanana nanomboka ny 12 oktobra teo ary hifarana ny 15 oktobra izao. Any an-toerana ny Malagasy mpilalao Andriantsiavonantsoa Onisoa Fanasina avy amin’ny klioban’ny […]





