Fanatajahantena

Atletisma – «Cross country»: hisy fifaninanana hifantenana izay ho any Croatie

Hiditra an-tsehatra ireo kalazalahy manerana an’i Madagasikara, amin’ny taranja «cross country», ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hiady ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Croatie. Araka ny fantatra, hotanterahina amin’ny sabotsy 13 janoary ho avy izao, eny amin’ny Bout de Piste Ivato, ny hazakazaka «Cross country», karakarain’ny […]

« Afrobasket 2025 »: nanomboka omaly ny fampivondronana ny Ankoay

Hotanterahina eto Mada­gasikara, manomboka ny 15 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Raha ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny Basikety (FMBB), efa natomboka, omaly, ny fampivondronana ireo mpilalao miisa 14 mirahalahy mandrafitra ny elipa-pirenena malagasy. Raha ny fantatra, hivoaka tsy ho ela […]

Grand Tournoi d’Antananarivo : Tafakatra hilalao famaranana ny US Pro sy ny Disciples FC

Fantatra omaly, ireo ekipa roa hilalao ny famaranan’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”. Nandrombaka ny fandresena ny US Pro Analamanga sy ny Disciples FC. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus by pass, ny lalao manasa-dalana ho an’ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny famaranana, ny ekipan’ny […]

Taranja Judo : Atleta telo miofana atsy La Réunion

Niainga ny alakamisy ali­na, teny Ivato, hamonjy ny nosy La Réunion, ireo Mala­gasy atleta mpikatroka ny taranja judo telo mirahalahy. Hiofana hiaraka amin’ny ekipam-pirenena frantsay any an-toerana izy ireo. Nano­m­boka afakomaly hatramin’ny 12 janoary ho avy izao izany. Anisan’ireo manatrika izany Ravelojaona Rayan, latsaky ny 73 kg, Ranaivoarisoa Fetra, latsaky […]