Fanatajahantena

Korontana amin’ny baolina kitra : “Ny mpikamban’ny FMF no fototry ny olana”, hoy i Tôta

Namaky bantsilana ny tsy fetezana eo amin’ny fitantanana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club des Elites de Football Madagascar (CFEM). Misy mitsabaka andraikitra ireo mpitantana eo anivon’ny federasionina malagasy (FMF), hoy izy. Nivoaka tamin’ny fahanginany, Rakotoari­ma­nana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de Football Elite […]

Youthconnekt 2025: Hitohy any Antsiranana indray ny hetsika

Taorian’ny faritr’i Fianarantsoa, hitohy any amin’ny faritr’i Antsiranana indray, ny hetsika lehibe ho an’ny tanora “Youth Connekt 2025”. Araka ny vaovao voaray, hotanterahina manomboka ny 12 jolay ho avy izao, ao amin’ny Gymnase Soafeno, ity hetsika ity. Marihina fa miaraka misalaha amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena […]

Fahafatesan’i Lolody : «Efa nandindona azy», hoy ny vadiny sy ny reniny 

Anisan’ireo kintan’ny baolina kitra malagasy, nisongadina tany Seychelles, i Lolody. Nodimandry ny 4 jolay lasa teo moa ny tenany, nisy ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo akaiky azy, mahakasika ny nahafatesany. “Marobe” , anarana fiantsoana an’Itompo­kolahy, Malagasy mpanao baolina kitra, 31 taona, mpilaravinahitra tao Seychelles, zanak’i Toamasina avy ao Fenoarivo atsinanana. […]

“Afrobasket 2025”  : Hitondra ny Ankoay i John Douanglin sy i Ndranto

Afaka iray volana, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Afrobasket 2025”, any Angola. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasionina mala­gasin’ny basikety, fantatra fa hitondra ny Ankoay, mandritra io fifanintsanana io, i John Douanglin, teknisianina fran­tsay sy Rakotonanahary Ndranto. I John Douanglin izany no handimby ny toeran-dRavo­nimbola Jeannot, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa- dalana ny lalan’ny Ankoay, nandritra ny fifaninanana Run Bal, taranja basikety, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Mexique tamin’ny isa 21 no ho 19 ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa fandresena 3 nisesy no azon’izy ireo talohan’ity ampahefa-dalana ity. Hiditra amin’ny andro fahatelo, […]