Feno ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Hiavaka satria hisy semi-marathon roa. Ny iray fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tanterahina any Mahajanga, ny 31 marsa ho avy izao. Ny volana mey, hisy ny semi-marathon international. Fihaonana iraisam-pirenena handraisan’ireo mpihazakazaka avy any ivelany anjara. Tsy mbola voafaritra […]
Fanatajahantena
Badminton – Mada 2023 : ligy efatra hiady ho lohany
Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hotanterahina ny 13 sy 14 janoary ho avy izao izany. Handray anjara, hiady izay ho lohany, amin’izany ireo ligim-paritra efatra mandrafitra ny federasiona : Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana ary Alaotra Mangoro. Hiady lohany […]
“CAN 2024” : mbola baraingo ny fandefasana mivantana amin’ny TVM
Miandrandra mafy ny hanarahana mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalaon’ny CAN, ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Mbola tsy nisy anefa fanambarana ofisialy ny mety hahazoana mandefa izany. Folo andro katroka mialohan’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, “CAN 2024”, taranja baolina kitra, anio. Fifaninanana tanterahina any Côte […]
Grand Tournoi d’Antananarivo : hanomboka amin’ny alahady ny manasa-dalana
Heverina ny fifaninanana baolina kitra eto Antananarivo afaka efatr’andro. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny lalao manasa-dalan’ny fifanintsanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”. Ny ekipan’ny Elgeco Plus “OPL” hihaona amin’ ny US Pro Analamanga ary ny Ajesaia “OPL” hifanandrina amin’ny Disciples FC “OPL”. Anisan’ireo lalao […]
Romain metanire : niala tao amin’ny RFC Seraing
Nanaitra ny mpitia baolina kitra ny nandre fa niala tao amin’ny RFC Seraing Belgique, ilay mpilalao baolina kitra malagasy sady vodilaharan’ny Barea de Madagascar, i Romain Metanire. Ny alatsinainy 1 janoary lasa teo, nangataka ny tenany ny hampitsaharana ny fifanarahana amin’ity ekipa ity. Nambarany fa tsy mety aminy ilay manalavitra […]