Fanatajahantena

« Salon National des Sports »: samy nanaiky ny maha zava-dehibe ny hetsika ny mpiantsehatra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina, ny andro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ny Fanatanjahantena. Ho fanamarihana izany, nikarakara hetsika goavana, « Salon National des Sports », miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, teny an-toerana, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’ny minisitra, Moustapha Marson Abdulah. Samy nahatsapa ny […]

“Urban Trail”- Ady amin’ny lefakozatra: nahatratra 4500 ny isan’ireo mpandray anjara

Samy afapo tamin’ny hazakazaka, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fana­tanjahantena (MJS) sy ny Rotary Club, ireo mpandray anjara tamin’ilay “Urban Trail”. Natao hitadiavana vola hiadiana amin’ny lefakozatra izany. Nahomby ! Mpandray anjara maherin’ny efatra arivo, izany hoe 4500, tonga niatrika ny hazakazaka amin’ny alaviran-dalana, “Urban Trail”, omaly. Araka ny […]

Medaly volamena 3, volafotsy 2 ary alimo 4 azon’ny Malagasy

Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika, taranja Judo, notanterahina tany Prétoria. Medaly 9 no norombahan’ny judokas malagasy. Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy mpikatroka, misolo tena an’i Mada­gasikara, miatrika ny fifaninanana “Open et Coupe d’Afri­que”, taranja Judo, notontosaina tany Pretoria, ny faran’ny herinandro teo. Judokas 3 […]

Taranja tolona: manamafy ny fahaizany any Maroc i Josiane

Fiainana fianarana hatrany! Hifarana anio, any Maroc, ny fampiofanana mpanazatra matihanina, amin’ny taranja tolona. Anisan’ireo nalefan’ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML), ho solontenan’i Madagasikara, hiatrika izany, i Soloniaina Josiane Patricia. Marihina fa nanomboka ny 23 jona, tany an-toerana, ary natokana ho an’ireo firenena miteny frantsay ihany ity hetsika ity. Tao anatin’ireo […]

«Salon national des sports»: hisokatra anio, etsy Mahamasina

Hotanterahina etsy Mahamasina, manomboka anio hatramin’ny 30 jona ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Salon national des sports”. Hetsika goavana, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Anisan’ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay tarihin’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. […]