Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo ny fankasitrahana « Fide Outstanding Contribution Award », avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja Echecs i Madagasikara. Vokatry ny fampiroboroboana sy fampivoarana ny taranja eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no anton’izany fankasitrahana iraisam-pirenena ho an’ity taranja ity izany. Hotanterahina any Toamasina, ny 5 hatramin’ny 12 jolay izao, ny fiadiana […]

« Festival des sports » : Klioba 30 avy ao Vakinan­karatra nandray anjara

Notanterahina ny alahady 22 jona teo, tao amin’ny Kianja mitafo manara-penitra Vatofotsy, Antsirabe, ny andiany voalohany amin’ny “Festival des sports”. Nandray anjara tamin’izany ireo klioba 30 avy amin’ny taranjam-panatanjahantena samihafa, ao anatin’ny ligim-paritra Vakinankaratra. Nana­trika izany tany an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdoulah Marson Moustapha. “Natao […]

Savorovoro Mama FC – Elgeco Plus : Mandiso ny vaovao miely anaty tambajotra ny filohan’ny FMF

Miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera ny lahatsoratra an-gazetin’ny Sport News Africa, omaly, fa naneho fihetsika tsy mendrika ny lehiben’ny kitra malagasy. Etsy ankilany, manazava ny loharanom-baovao iray fa tsy marina io filazana io. “Iza no diso ?”. Namoaka vaovao momba ilay sa­vorovoro nisy tamin’ny fihaonan’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus, […]

Échecs -“Tournoi Inter-Entreprise”: hotohizana amin’ny volana septambra

Amin’ny volana septambra izao indray ny fifaninanana “Tournoi Inter-Entreprise”, ta­ranja Échecs, karakarain’ny federasionina malagasin’ ny lalaon-tsaina Échecs. Mbola hisy ihany koa amin’ny volana desambra izao, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasionina. Fifaninanana natao hijerena ireo mpilalao eny anivon’ny orinasa ity lalao ity. Efa betsaka mantsy ny mpilalao mahay any […]