Fanatajahantena

Hazakazaka am-bisikileta: mila fitsaboana fa marary ilay taranja

Misy ny federasiona malagasin’ny bisikileta. Tsy mbola mitondra vokatra ho an’i Madagasikara anefa izany. Maro ny antony ka mila fitsaboana ilay taranja. Anisan’ny taranja tsy heno firy intsony ny lazany eto Mada­ga­sikara, ny hazakazaka am-bisikileta. Raha tsiahivina, tany amin’ny taona 80 sy 90 tany no tena nampanakoako azy. Tena nampalaza […]

Federasion’ny baolina kitra : andrasana ilay fikaonandoha nolazain’ny filoha

Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), Andriamanampisoa Alfred, ny fanatontosana ilay fikaonandoham-pirenena. Miandry izany ireo mpisehatra amin’ity taranja anisan’ny mankararirary ny Malagasy ity. Mandritra izay no hihainoana ny hetahetan’ny mpilalao sy ny mpanazatra. Vanim-potoana handraisana ny olana isan-tokony, mampikatso ny ligim-paritra sasany. Dinihina […]

“Ping-pong”: loha-lisitra ny mpilalao eto an-toerana

Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao, any Ghana, ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain”. Ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”, hisolo-tena an’i Madagasikara ny mpilalao avy eto an-toerana. Efa vita ny fifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena. Notontosaina nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao tany […]

Fanatanjahantena: fifaninanana lehibe 10 ho an’ny taona 2024

Hanan-karena fifaninanana iraisam-pirenena ny taona 2024. Ankoatra ny any Frantsa, izay ho foiben’ireo lalao goavana rehetra, hisy fihaonana koa aty amin’ny kaontinanta Afrikanina. Miisa 10 ireo fihaonana iraisam-pirenena hanamarika ny taona 2024. Hisongadina ny “lalao Olympika (JO 2024)”, tanterahina any Frantsa, ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra, ho avy izao. […]

Ping-pong – Mada 2023: tompondaka Rakotoarisoa Riva, avy eto Analamanga

Ilay mpilalaon’Analamanga, Rakotoarisoa Riva, no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taona 2023. Anisan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, izay miatrika ny  “Jeux Africain”, any Ghana, ny tenany.  Nifarana omaly, tany Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”, taom-pilalaovana 2022-2023. Norombahan-dRakotoarisoa Riva, mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga […]