Nanomboka ny alakamisy 26 jona lasa teo, tany France, ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Dingana voalohany notanterahina tao ST Gilles – Croix de Vie. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy ny amboara tamin’io rehefa nandresy ny ekipan’i Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 5, nandritra ny famaranana. Nampiaiky […]
Fanatajahantena
Judo-Afrika: nahazo medaly volamena Razafindrakalo Natacha
Malagasy mpikatroka 11 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara any Pretoria mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja judo. Medaly volamena iray, volafotsy 1 ary alimo 2 no efa azon’izy ireo. Tamin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny judokas malagasy, Razafindrakalo Natacha, ny medaly volamena, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny […]
Fifanintsanana Mondial 2026: mety ho any ivelany indray ny lalaon’ny Barea
Lasa mangina ny resaka fikarakarana ny Kianja Barea Mahamasina. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy ny tohiny momba ilay fitaovana hikolokoloana izany. Manahy ny zava-misy ny mpankafy baolina kitra malagasy maro fa mety hatao any ivelany indray ny fihaonan’ny Barea de Madagascar, ny volana septambra ho avy io. Roa volana eo […]
Rallye – Bangsean Grand Prix: handray anjara Razanakoto Iaro
Hotanterahina ny 5 sy ny 6 jolay ho avy izao, any Thaillande, ny Bangsean Grand Prix, dingana fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Asie, amin’ny familiana fiarakodia (Grand Tourisme 4). Anisan’ireo handray anjara ilay Malagasy mpanamory, Razanakoto Iaro ao amin’ny klioba Team Porsche B-Quick. Raha tsiahivina, mitana ny laharana faharoa vonjimaika, […]
FIBA 3X3 “World Cup”: ao anatin’ny 20 voalohany maneran-tany i Muriel sy i Livio
Na teo aza ny faharesen’ny ekipa malagasy tamin’ireo lalao 4 avy nataony, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, tafiditra anatin’ny 20 voalohany maneran-tany, i Muriel sy i Livio. Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 20 mendrika indrindra maneran-tany teo anivon’ny Fiba, omaly. Vaovao tsara ho an’ny Malagasy izany satria […]





