Fanatajahantena

“Pré-qualification Afrobasket 2025”: voaantso hanatevin-daharana i M’Madi sy i Kiady

Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “pré-qualification Afrobasket 2025”, Senior lehilahy, hatao eto Madagasikara, ny 15 hatramin’ny 19 janoary izao. Nisongadina ao anatin’izany lisitra izany ny fahitana ny anaran’i M’Madi Mathias, Malagasy  mpilalao milaravinahitra any Etazonia sy Razanamahenina Kiady, milaravinahitra any Frantsa. Mpilalao samy nisongadina […]

Kitra – «Can 2023»: Samy manana ny fomba fiomanany ireo firenena 24

J-15 mialoha ny hanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny baolina kitra hifanandrinan’ireo firenena ny rehetra (Can 2023). Fihaonana hotanterahina any Côte d’Ivoire, ny 13 janoary ho avy izao. 24 ireo firenena hiady ho lohany amin’ity. Maro amin’izy ireo ny nisafidy hanomantena any ivelan’ny firenena misy azy. Anisan’izany i […]

Kung fu-FMKF : mikarakara fiofanana ara-pitantanana sy ara-teknika

Fiofanana no hanombo­han’ny federasiona malaga­sin’ny Kung fu, ny taom-pikatrohana 2024. Izay no tapaka, araka ny fandaharanasa notapahin’ny mpizaika nandritra ny fivoriambe, ny 15 desambra lasa teo. Hisy ny fiantsoana fiofanana izay hatao ny sabotsy 6 janoary 2024, eny amin’ny foibe 67 ha, manomboka amin’ny 8 ora maraina. Hiom­pana amin’ny lafiny […]

Razafindranaivo Koloina (Rakool) : resy lahatra aminy ny klioba AC Alres

Maharesy lahatra an’i Mathias Lozano, mpanazatran’ny AC Arles France Regional 1, ny fahaizan-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, efa nahatafiditra baolina iray Rakool, nandritra ny lalao roa nataony. “Mpilalao manana kalitao hafa sy tsotra i Koloina, anisan’ny tena mampiavaka azy […]

Kick – “Mondial 2024” : nofoanana ny fifaninanana saika hatrehan’i Rojo

Voatazon’ny klioba any Chine hiatrika ady matihanina mandritra ny iray taona i Rojo, Malagasy mpikatroka. Ny “Mondial 2024” no fifaninanana voalohany saika hatrehany saingy nofoanana izany. Malagasy mpikatroka, taranja kick-boxing, miatrika ady matihanina any Chine, i Rojo. Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpikatroka tokony handray anjara amin’ny fiadiana ny ho […]