Nivoaka ny filaharana eto Afrika sy maneran-tany, eo amin’ny taranja basikety, lalaovin’olona 3, taona 2023. Ho an’i Madagasikara, laharana fahatelo no misy ny Ankoay lahy eto Afrika, izay nahazo isa 679 668 ary faha-35 kosa maneran-tany. Laharana faha-9 kosa no misy ny Ankoay vavy, eto Afrika. I Egypta no mitana […]
Fanatajahantena
Kitra – «Grand Tournoi d’Antananarivo» : hanalavela amin’ny Ajesaia ny Disciples FC
Fantatra avokoa ireo ekipa hidona amin’ny fiadiana ny manasa-dalan’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”, taranja baolina kitra. Hifanehitra eo amin’ny manasa-dalana ny samy “Pro league”, ny Disciples FC sy ny Ajesaia. Tontosa omaly zoma, teny Andoharanofotsy ny antsapaka ho an’ireo ekipa efatra tafita hiatrika ny manasa-dalana, hiadiana ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”, taranja […]
« Tournoi Beach Soccer » – Morondava : hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary ny tompondaka
Hotanterahina manomboka anio, any Morondava, ny fifaninanana baolina kitra an-torapasika, beach soccer, ho an’ny seksiona Morondava. Hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary izay ekipa voahosotra ho tompondaka amin’izany. Miisa valo ireo ekipa mpandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Marihina fa nozaraina vondrona roa “A sy B” izy ireo. Raha ho an’ny sokajy […]
Fifaninana any Thaïlande: nahazo “record national” i Tendry
Mivoatra hatrany ny Malagasy mpilomano, Tendrinavalona Idealy, amin’ny fiofanana izay ataony any Thaïlande, eo amin’ny taranja lomano. Vao avy niatrika fifaninanana iray izy tamin’ity herinandro ity ary nahazo “record national” sy nahavita nanatsara ny zava-bitany. Teo amin’ny 200 m Dos no nahavitany izany, tamin’ny fe-potoana 2’25” 47 raha toa ka […]
Randriamanampisoa Alfred : nanatrika ny fihaonana antampon’ny Fifa 2023
Nihaona fanindroany omaly, tany Arabia Saodita, ny filohan’ny Fifa, Gianni Infatino sy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randrimanampisoa Alfred. Notanterahina omaly, tany Arabia Saodita, ny fihaonamben’ny Fifa, “Sommet du Foot-ball de la Fifa 2023”. Tonga nanatrika izany, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny […]