Any amin’ny ligin’Atsinanana indray no hanohy ny fampivondronana ho an’ny taranja karate do, ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Nizeria, ny volana jolay izao. Mikasa handefa atleta 20 ny federasionina kanefa miankina amin’ny haavo teknikan’ny mpikatroka izany. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mining Business […]
Fanatajahantena
FMF : Nahazo «quitus» 100% ny mpitantana
Notanterahina tany Ampefy, ny alakamisy lasa teo, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nomen’ireo ligim-paritra 22 fankatoavana “quitus” zato isan-jato ny mpitantana eo anivon’ity rantsa-mangaika mitantana ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Nahafa-po azy ireo ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny tetikasa fampandrosoana ny baolina kitra […]
Tsipy kanetibe – Test events : Nahazo medaly volamena roa i Madagasikara
Nanakoako tany Chine indray ny lazan’i Madagasikara, nandritra ny “test events” ao anatin’ny “World Games 2025”, taranja tsipy kanetibe. Norombahin’i Madagasikara mantsy ny medaly volamena roa teo amin’ny “tir de precision”, lahy sy vavy. Mbola noporofoin’ny Malagasy teo imason’izao tontolo izao indray fa taranja voafehiny ny tsipy kanetibe. Norombahin-dRamamonjisoa Mirana, […]
Volley-CJSOI : Nanomboka ny fifantenana
Nanomboka ny alarobia 26 marsa teo, eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fifantenana ireo Malagasy atleta eo amin’ny taranja volley-ball. Hiatrika ny CJSOI, hatao any Seychelles, ny volana jolay izao izy ireo. Atleta 36 avy eto Analamanga no nanomboka nivondrona voalohany, mandra-piandry ireo avy any amin’ny faritra, araka ny fanazavan’ny […]
«Mondial 2026» : Fito ireo firenena efa tafita
Ankoatra an’i Etats-Unis sy Canada ary i Mexique, mpampiantrano ny “Mondial 2026”, firenena efatra hafa no efa nahazo ny tapakila hiatrehana izany. Tao amin’ny faritr’i Azia, tafita voalohany ny Samourai an’i Japon, miampy ny Tim Melli an’i Iran. Ho an-dry zareo any Oceanie indray, ny Kiwis Nouvelle-Zelande, tafakatra amin’izany. Fanintelony […]




