Tontosa, omaly zoma 15 desambra, teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe fanao isan-taona, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Kung fu. Zava-dehibe ny nanatanterahana ity AGO ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona, Grand Maître Avoko. Niarahan’ny ligy 9 nanapaka mantsy fa haverina ho toy ny rafitra nisy hatramin’izay, tany amin’ny […]
Fanatajahantena
GTA – Manasa-dalana : hifandona ny CFFA sy ny Elgeco Plus
Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny ampahefa-dalan’ny «Grand Tournoi Antananarivo (GTA)», taranja baolina kitra. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro amin’ity dingana hiadiana ny tapakilan’ny manasa-dalana ity, ny an’ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy, rahampitso. Tsiahivina fa tamin’ireo lalao roa nihaonan’ny roa tonta nandritra […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara : vonona handresy ny Cosfa ny Uscar
Lalao handrasan’ny rehetra, ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara taranja rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiady izany, ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar. Vonona handresy ny miaramila ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanamby goavana ho an’ny ekipan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny Uscar, ny hibata ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby ny alahady […]
«Ligue des Champions 2024» : hifanandrina amin’ny ekipa goavana ny PSG
Nifarana ny alarobia lasa teo, ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions (LDC) 2024”, taranja baolina kitra. Azo heverina ny mety hihaonan’ny ekipan’ny Paris Saint Germain France, amin’ireo klioba goavana toa ny Real Madrid Espagne, ny FC Bayern Munich Allemagne, ny Manchester City Angleterre. […]
Fiba Level 1 : Malagasy mpitsara 16 afa-panadinana
Nivoaka tamin’ity herinandro ity ny valin’ny fanadinana nataon’ireo mpiofana ho Malagasy mpitsara, Fiba Level 1, taranja basikety. Fiofanana nomen’ny manam-pahaizana, i Leslie Chérubin, ny 28 novambra hatramin’ny 31 novambra lasa teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Malagasy mpitsara 16 mianadahy no afa-panadinana ka nahazo ny diplaoma Fiba Level 1. Tsiahivina […]