Fanatajahantena

Rugby – Amboaran’ i Madagasikara: hidona amin’ny famaranana ny Uscar sy ny Cosfa

Tafita ary hiatrika ny famaranana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby, ny Uscar sy ny Cosfa. Afa-bela nanoloana ny FTM ny Bebaoty raha tsy mbola afaka nanaoloana ny Kaominnia ry zareo Anosibe. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao ankatoky ny famaranana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja […]

Lomano-Africa Juniors : nanatsara fe-potoana Rakotobe Tendry

Niditra an-tsehatra omaly, ny Malagasy mpilomano, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Juniors, taranja lomano. Raha ny vokatra voaray, tsy mbola nisy niatrika famaranana aloha hatramin’izao ny solontena malagasy, fa nihintsana ta­min’ny fihodinana voalohany avokoa. Na teo aza izany, nisy mpilomano nahavita nanatsara fe-potoana tany Maorisy, tamin’ny alalan-dRakotobe Tendry, […]

Lalao fihantsiana: hanalavela amin’ny Dato FC ny Fosa Junior

Hotanterahina rahampitso, any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga, ny lalao fihantsiana eo amin’ny Fosa Junior FC Boeny sy ny Dato FC Farafangana. Mbola manalavela ny Fosa Junior amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Tsiahivina fa lavon’ny Dato FC tamin’ny fandakana “tir au but” ny ekipan’i Boeny, nandritra ny ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena “Orange pro […]

Rugby – Amboaran’i Madagasikara : adin’ny kartie sy ny boaty ny manasa-dalana

Hitana ny sain’ny rehetra amin’izao faran’ny herinandro izao, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Hangotraka ny fihaonana satria hidona ny kartie sy ny boaty. Hotanterahina etsy amin’ ny kianja Makis An­dohatapenaka, rahampitso alahady, ny ankatoky ny famaranana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Tam Anosibe hifandona […]

« Grand Tournoi d’Antananarivo » : misongadina ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC

Taorian’ny andro faharoan’ny fifaninanana « Grand Tournoi d’Antananarivo », taranja baolina kitra, nivoaka ny filaharana isam-bondrona ho an’ireo ekipa 16 mandray anjara. Amin’ireo klioba mandray anjara amin’ny “Orange Pro League” OPL, misongadina tanteraka ny Disciples FC sy ny Elgeco Plus. Nahazo fandresena roa, tamin’ny lalao roa nataony avy, izy ireo. Mitarika ao […]