Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Shoot Out”, taranja basikety 3×3, andiany fahatelo. Nahomby ny hetsika ary nitombo ny mpandray anjara. Tratra, araka izany, ny tanjona ho an’ny ligin’i Vakinankaratra, mpikarakara. Nahitana taninketsa maro ihany koa nandritra ity fifaninanana ity, izay nahafahana nitily ireo mpilalao hoavin’ny […]
Fanatajahantena
Dimbiheriniaina Pharlin : Mety hanohy ny asa ara-teknikan’ny FMTKD
Mbola tsy misy ny filazana ofisialy mahakasika ny birao mandrafitra ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD). Saingy araka ny fanadihadiana natao, efa nanendry olona ny lehiben’ity taranja ity, andrasana ny fanolorana azy ireo. Araka ny siosion-dresaka mandeha, amin’izao fotoana izao, fantatra fa efa nanendry ireo mpiara-miasa aminy, ny filohan’ny Federasionina […]
« Roi du Ring » : Nanokafana ny taona ho an’Analamanga
Notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ilay katrokady « Roi du Ring », taranja Ady totohondry. Fifaninanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga ho fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 izy ity. Nambaran’ny filohan’ny ligy, Ranaivo Herivonjy Thierry, fa tanjona ny hamerenana indray ny lazan’ny ady totohondry eto Analamanga. Izany indrindra no […]
Tournoi-FDS : Nomena fitaovana ny mpitandro filaminana
Ho mariky ny firaisankin’ny governemanta, nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny mpitandro filaminana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Natao omaly, teny Ampahibe, izany. Nanolotra fitaovana sy kojakoja ara-panatanjahantena ho an’ny minisiteran’ny Foloalindahy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’i Moutsapha Abdulah Marson, omaly. Natao ho […]
SOMBIM-BAOVAO
Ao anatin’ny fanomanantena tanteraka ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, eo amin’ny rugby lalaovina olona 7, amin’izao fotoana izao. Hanomana ny fifaninanana «Africa Men’s Sevens Cup». Fihaonana hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny 21 sy ny 22 jona ho avy izao. Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 6 aogositra izao, ny […]





