Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, any Mahajanga, ny fifaninanana baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika « Festival Beach Soccer ». Fifanintsanana hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar beach soccer. Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny fanofanana mpanazatra mandritra ny hetsika. Raha tsy misy ny fiovana, mety ho faritra 12 no hifanandrina amin’izany. Nandrombaka medaly […]

Tsipy kanetibe: Nanao pao-droa i Matsiatra Ambony

Nametraka ny tantarany ao anatin’ny fifaninanam-pirenena ihany koa, ankehitriny, ny ligin’i Matsiatra Ambony. Nandrombaka anaram-boninahitra roa izy ireo nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka. Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara, taranja tsipy ka­netibe ho an’olon-droa miaraka. […]

“Pureplay Football League” : Nihintsana ny Disciples Fc

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kian­jan’ny Elgeco Plus By-Pass, ny lalao ampahefa-dalana mive­rina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « World Cola PFL », taranja baolina kitra. Nihintsana ny tompondaka farany, Disciples FC Vakinankaratra, rehefa nanao ady sahala 0 no ho 0 tamin-dry zareo miaramila Cosfa. Tsiahivina fa […]

Handball – “IHF Trophy”: Tompondaka ny Akio teo amin’ny U17

Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny Kianja mitafon’ ny Ankoay Ankorondrano, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7, taranja handball, sokajy zandriny, zazavavy, na “IHF Tro­phy”. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy U17 ny Akio de Madagascar. Resin’ izy ireo teo amin’ny famara­nana, tamin’ny isa 29 no ho 20, i […]

DAKA AN-JORONY: Aza atao fy iraisana fa ho fy iraisan-(t)saina

Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hi­tantana ny firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM). Nahazo filoha vaovao indray ny mpikirakira ny fampahalalam-baovao ara-panatanjahantena. Tsy mora ny asa miandry ny mpitantana amin’izao taom-piasana manaraka izao. Enga anie, ny ekipa miaraka aminy tsy hanao toy ny ranotrambo, be fiavy […]