Nahavory olona maro ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara natao teny Andohatapenaka omaly. Tsy napoizin’ny rehetra teny an-toerana ny voka-dalao. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ireo lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Nivoaka sempotra vao afaka ny Uscar, nanoloana ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Nisaraka, Tamin’ny […]
Fanatajahantena
Judo-“Grand Slam” : Nihaona tamin’ny Sensei Ku Akirakai, Rasoanaivo Laura
Niatrika ny fifaninanana “Grand Slam de Tokyo” tany Japon, ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. Teo amin’ny sokajy -70 kg, Senior no nifaninanany. Raha hiverenana ny vokatra, niady tamin’ilay Judokas Grika, laharana fahefatra maneran-tany, ity Malagasy mpikatroka ity. Noho ny traikefa efa ananan’ny mpifanandrina taminy, resy Rasoanaivo Laura. Nambarany […]
Fiba 3×3-Africa Cup : laharana fahatelo ny Ankoay lahy sy vavy
Nifarana omaly alahady, tany Le Caire, Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety lalaovin’olona 3. Laharana fahatelo avokoa ny Ankoay lahy sy vavy. Medaly alimo avokoa no norombahan’izy ireo, na ny teo amin’ny sokajy vehivavy izany, na teo amin’ny sokajy lehilahy. Samy niatrika ny lalao fiadian-toerana fahatelo izy ireo. […]
Fiba 3×3 Africa Cup : nandresy an’i Maraoka ny Ankoay vavy
Tsara fanombohana ny Ankoay vavy, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, tanterahina any Le Caire Egypte. Nandresy an’i Maraoka tamin’ny isa 14 no ho 10 i Madagasikara, teo amin’ny sokajy vehivavy. Na dia somary mafimafy aza ity ekipan’i Maraoka ity, tsy nanaiky lembenana ry Muriel, Sydie, […]
tournoi d’Antananarivo : hanomboka anio ny fifaninanana
Hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, manomboka anio sy rahampitso, ny fifaninanana “Grand tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifaninanana dia hisy lalao enina eo eny an-toerana amin’ity faran’ ny herinandro ity. Marihina fa miisa 16 ireo klioba mandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Mahatratra fito […]